๐ Morondava nitrangana haitrano vokatry ny herinaratra indray Trano efatra no ravan’ny afo io maraina io teto amin’ny kaominina ambonivohitry Morondava trano fisakafoanana ny iray, tranom-barotra ny iray sy trano fianarana mamily fiara-kodia ny iray izay niaraka tamin’ny biraony , marihina moa fa io ihany no mba fianarana fiara-kodia ato Menabe,ary ny biraon’ny tantsoroka zo ny fananan-tany .
๐ Maro ireo entana may ravan’ny afo na dia misy ihany aza kely avotra nohon’ny fiaraha-mientan’ny olona, tokony tamin’ny valo ora maraina no nanomboka ny afo raha ny voalazan’ny nanatrimaso ka tao antafotrano (plafond) no niandohany ka ny setroka be hitan’ny olona taty ivelany no nahatonga ny olona ho taitra ka nanaitra ny tao anatiny izay tsy mbola maheno zavatra hafahafa, tao amin’ilay tranom-barotra moa no niandohany ny afo ary vetivety dia nihitatra tamin’ireo trano mifanila aminy, na dia nalaky tonga aza ny mpamonjy voina dia tsy voafehy ny afo satria kely ny fiaran’ny mpamonjy voina ka nalaky lany rano, niredareda ny afo ka tonga teny an-toerana ny lefitry ny Prรฉfet ary nanampakevitra niantso ny mpamonjy voina avy ao amin’ny Adema hifarimbona amin’ny famonoana ny afo ka tamin’ny folo ora sy fahefany vao voafehy tanteraka ny afo izay efa niitatra tamin’ny trano misy ny boutique Orange, tsy nisy moa ny aina nafohy na ny naratra fa ny fananana may sy simba no maro izay azo inona fa an-tapitrisany maro .
๐ Tato ato moa dia matetika ny trangana haitrano teto Morondava nohon’ny herinaratra ny anton’izany dia maro ireo foto-drafitr’asan’ny no efa antitra etsy ankilany koa ireo fizarana jiro tsy ara-dalana ataon’ny mpajifa sasany izay mbola ampian’ny fahatapatapahan’ny jiro matetika Manao antsoavo amin’ny fitondrana foibe moa ny avy eo amin’ny kaominina ambonivohitry Morondava ny hampitaovana ireo mpamonjy voina eto Morondava fa toa saritsarina mpamonjy voina no misy eto hoy izy ireo satria fitaovana kely tsizarizary no misy ka sarotra ny mifehy ny afo rehefa misy tranga toizao nefa ato Menabe tsy misy kaominina mba manana mpamonjy voina ankoatran’ny Morondava, ny ora nialanay teny an-toerana moa dia mbola tsy maty tanteraka ny afo.
Nangonin ‘Lay Ra Pa – Menabe