FORT-DAUPHIN. « ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TOERANA MIAVAKA SY NY ZAVA-NAORINA »/DRCC ANÔSY

376 0
Tanteraka soamantsara ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Toerana miavaka sy zava-naorina teto Tolagnaro izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy ka teto amin’ny tora-pasiky ny Libanona izay toerana iray manan-tantara ny eto amin’ilay toerana atao hoe ANKATAFAMARANG.Raha ny tantarany dia tombanana ho tany amin’ny taona 997 tany no nahatongavan’ireo TELAOTSY (Mpanjono) teto Tolagnaro.
 
Taranaka avy any Malezia izy ireo,Telopolo vavy no nanisana azy ireo,tsy isaina ny Lehilahy sy ny Zaza.Nitety faritra sy Kaontinanta maromaro ihany izy ireo vao teto teto Tolagnaro ka nitondra vakoka Kolontsaina mifangaro (Aziatika,Indianina,Afrikanina). Nifanaraka izy ireo fa hizara Vondrona roa hijery ny tany raha azo onenana na tsia.Niditra tao Andadoany ny an-diany iray ary teto Ankatafamarang izay efa lasa Libanona ny anarany amin’izao ny an-diany faharoa.Nifampiantso izy ireo izy ireo rehefa samy tody an-tanety.Izany no antony mampisy toeram-pijoroana roa hita amoron-dranomasina eto an-tananan’i Tôlagnaro,dia ny ao Ankoba(Andadoany) sy ny eto Ankatafamarang (Libanona).
 
Teto amin’ity toerana ity no nambolean-kazo « KATAFAMARANG A »,sady toerana fijoroan’ny taranany(Tetananambôny). Kolontsaina mitodika amin’ny ranomasina ny Kolontsaina « Tetananambôny ».Vitsy raha misy hafa an-koatran’ny « Tetananambôny » ny olona eto Madagasikara izay nanao lanonam-pijo amin’ny hazandranomasina.
 
Tonga nanatrika an’ity lanonana ity ihany koa ny avy ao amin’ny Fileovana Tôlagnaro sy ny lefitry ny Ben’ny Tanana eto FARADOFAY sy ireo Ray Aman-dreny Ara-drazana,Toteny sy ireo taranaka aty afara.
Nisy ny fanehoana ny dihy nentim-paharazana notenin’ireo Mpanankato avy aty an-toerana sy ireo mpianatra izay nasaina.
 
Fiaraha-miasa izay niarahana tamin’ny mpahay tantara aty an-toerana Atoa LUIS MANERA RAEVONIAINA izao ka isaorana hatrany amin’ny fiaraha-miasa ho an’ireo Sehatra rehetra izay nifarimbona nanantateraka an’iny lanonana iny,toy ny Faritra Anôsy,Fileovana ny Kaominina Faradofay,ny avy amin’ny DRS Anôsy,sy ny DREN ANÔSY, Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Tekinika,Ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany.
 
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…