Fokontany Tsiadana | niraharan-doza by trano be iray

178 0

Nohon’ny rotsak’orana be loatra miseho eto Antananarivo, dia trano iray no nianjera tamin’ny ampahany teto amin’ny Fokontany Tsiadana, araka ny fanavana nomnen’Andriamatoa RAMAROSON Jean Dieu-Donne. Ny zava-hebibe hoy hatrany izy dia ny tsy fisiana aina nafoy nandritra ity loza ity.

Tokan-trano 4 no mipetraka ato amin’ity trano raba tamin’ny ampahany ity, ary efa nanomboka tamin’ny 2 ora alina tany ho any no efa nanomboka fantatra fa hisy faharavana izany, araka ny fanazavana nentin’Andriamatoa Paul izay anisan’ireo olona nipetraka tato amin’ity trano, vantany vao nitranga kosa ny loza, dia nifanome tanana ny rehetra namindra ny entana hankany amin’ny toerana azo antoka.
Manoloana indrindra ny voina manjo, dia mangataka tolon-tanana avy amintsika malalan-tana ireto niharan-doza ireto.

Mila mitandrina hatrany ary hanaraka ny ny toromoriky ny « Chef Secteur » isika hoy ny Filoham-pokontany namarana ny teniny, ary nentanin’ny vahoaka hanaraka akaiky ny fivoaran’ny toetr’andro sy hijery ny manodidina ny trano ipetrahana’ny tsirairay

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…