π…πŽπ€π‘π€ π‘π„π™πˆπŽππ€π‹π˜ π…πˆπ‡π€π•π€ππ€ππ€/π€π‹π€πŽπ“π‘π€ πŒπ€ππ†πŽπ‘πŽ 2024

187 0
Ny 12 ka hatramin’ny faha 18 Aogositra 2024 ho avy izao no hanatanterahana ny tsenabe ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro na Foara Rezionaly izay nampotondraina ny anarana hoe: « FIHAVANANAΒ Β»
Fantatra izany nandritra ny valandresaka nataon’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiadidiana ny faritra izay notarihan’Andriamatoa Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA ny Alatsinainy 08 Jolay 2024 teo.
Hanana ny mampiavaka azy ity Foara rezioanaly Fihavanana ity satria ankoatran’ireo trano heva isan-karazany, sy ireo fampiratiana samy hafa, dia ho asongadina bebe kokoa mandritra izany ireo izay tena mampiavaka ny Faritra na eo amin’ny sehatry ny fambolena, na ny Jono, ny ny fizahantany, indrindra fa ny asa tanana sy ny kolontsaina.
Natao ambohi-pihaonan’ny rehetra ity Foara ity ka handray anjara ao avokoa ireo zanaka am-pielezana, sy ireo mpandraharaha maro samy hafa na ny avy eto an-toerana na ireo avy any ivelany, ary ireo Distrika Dimy mandrafitra ny faritra mazava ho azy.
Mila mihavana isika hoy ny Governora ahafahana miroso bebe kokoa amin’ny fampandrosoana satria ilaina ny fisokafana amin’ny hafa indrindra eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy fisarihana ireo mpandraharaha eo amin’ny sehetra rehetra indrindra fa ny sehatry ny indostria sy fizahantany mba hampiasa vola aty anivon’ny Faritra ary efa tombony lehibe ahafahana manamora izany ny fahavitan’ny lalampirenena faha 44 ka nisaorany ny Filoha Andry Rajoelina
Efa ao anatin’ny fandaminana sy fanomanana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy amin’izao fotoana izao koa afaka manantona ny biraon’ny Fiadidiana ny Faritra ireo rehetra mila fanazavana fanampiny sy te handray anjara amin’io Foara Rezionaly Fihavanana io.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post