Fonjan’Ambalatavoangy Toamasina: Tontosa androany ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo voafonja miisa 95

453 0
Tontosa androany ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo voafonja miisa 95,izay nisitraka fiofanana arak’asa.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Mpitantana ny Fonjan’Ambalatavoangy ,amin’ny fampisitrahana ny zo fototra maha olona an’ireo voafonja.
Atao ny fampiofanana arak’asa mba ahafahan’izy ireo manana asa ka tsy ho vesatra amin’ny fiaraha-monina rehefa mivoaka ny fonja. Mandritran’ny telo volana izy ireo no nampiofanina,ka ao ireo niofana mahakasika ny taovolo (coiffure), pâtisserie et cuisine, Coupe et Couture, ary développement Personnel.
Ireo fiofanana ireo no tontosa dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ny Aumônerie d’Adventiste Toamasina.
Nohamafisin’ny Rtoa Francka Figaro,Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja fa zava-dehibe ny fanomezana fiofanana ireo voafonja ka nankasitraka hatrany ny mpiara-miombon’antoka izy ireo,ka notolorana mari-pakasitrahana ireo mpampiofana noho ny ezaka ataony.
Voafonja niofana andiany faharoa ireto nahazo mari-pahaizana androany ireto,fa mbola hotohizana io fiofanana arak’asa omena ny voafonja io, hoy ny Lehiben’ny Fonja Toamasina Atoa Vonjy Stéphanson.
Izao ezaka izao no atao mba ho fampiomanana ireo voafonja hiverina amin’ny fiaraha-monina.

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗦𝗜𝗔

Posted by - février 19, 2026 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟏𝟖 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔: 𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬…