FITSIDIHANA IREO TOBIM-PAMOKARANA na CAMP PENAL AO MORAMANGA

75 0

Zoma 31 May 2024, nanomboka androany ny taom-piotazana amin’ireo camp pénal sy jardin pénal tao Moramanga:

Camp pénal Ampanihifana, Jardin pénal Moramanga ary Camp pénal Ambodivato.

-Mangahazo biocomposte 300 fototra no nanombohana azy ao Ampanihifana, izay nahazoana vokatra 9 T maha ampy sakafon’ny voafonja 650 amin’ny fonjaben’ny Moramanga ao anatin’ny 3 volana.
Ny fanitarana ny fambolena mangahazo 14.000 fototra billonage dia hotazana ny volana Septembra ho avy izao, hahavita sakafo 12 volana ho an’ny fonjaben’ny Moramanga ihany ary afaka mamatsy fonja hafa toy ny fonjaben’ Ambatondrazaka. Mahafa-po ny vokatra araka izany.
-Etsy andaniny dia misy ny fanamboarana ny tranon’ny mpandraharahan’ny fonja izay hiandraikitra ny filaminana sy ny fampandehanana asa eo anivon’ny camp pénal Ambodivato ary koa trano fanangonam-bokatra.

Hisy ny fanapariahana ireo tekinikam-pambolena nohatsaraina ireo eny anivon’ny fitaleovam-paritry ny fandraharahana ny fonja 22 amin’ny alalan’ny fanofanana ny lehiben’ny fonja sy tompon’andraikitry ny camp pénal manerana ny Nosy mba ahafahan’izy ireo mampita izany amin’ireo voafonja miasa eny anivon’ny camp pénal.
-Izany rehetra izany dia natao hanatsarana ny asa famokarana eny anivon’ny camp pénal mba hampitomboana ny vokatra miakatra; hiadivana amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fonja ary hanomanana sahady ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina rehefa tapitra ny saziny.

Izany dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona sy ny fanajana ny zon’olombelona.

Related Post