π€πŒππ€ππ‰π€ β€” π…π’π­π¬π’ππ’π‘πšπ§πš 𝐈𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲 π§πšπ­πšπ¨π§β€™π§π² π“πšπ₯𝐞 π‰πžπ§πžπ«πšπ₯𝐲 𝐧𝐲 𝐏𝐨π₯𝐒𝐬𝐒𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚

17 0
Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ny Tale Jeneraly ny Polisim-pirenena, Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA RAVONY Jean Victor. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fijanonany ao Ambanja, izay natao indrindra hampandrosoana ny fifandraisana sy fokonolona eo anivon’ny sehatry ny filaminam-bahoaka.
Nandritra ny fihaonana dia nanazava ny Tale Jeneraly fa tanjona fototra ny fampitana sy fampiharana eny ifotony ny vina napetraky ny Ministera. Anisan’ny teboka naroso :
Fanamafisana ny foto-kevitra hoe β€œPolisy mamaha olana, fa tsy fitaovana mampitahotra”.
Famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Polisim-pirenena sy ny fanjakana.
Fanitsiana sy fanarenana ireo lesoka amin’ny fomba fiasa, ary fanatsarana ireo efa mandeha tsara.
Fananganana endrika Polisy manakaiky vahoaka, mendrika, manana toetra sy fahaiza-manao mirindra.
Nodinihina manokana ihany koa ny lafiny momba ny Police de la Route, indrindra ny rafitra vaovao sy ny torolalana entina manatsara ny filaminana sy ny fandehanan’ny fifamoivoizana.
Nandray anjara sy nanotrona ny fihaonana ny solontenan’ny Zandarimaria Nasionaly, ho mariky ny fiaraha-miasa sy firaisankina eo amin’ireo andrim-panjakana miaro ny fandriam-pahalemana.
β€” ππšπ§π π¨π§π’π§β€™π’ π€π¦π©πžπ₯𝐚 𝐌𝐚𝐑𝐞𝐫𝐲, π€π¦π›πšπ§π£πš

Related Post