FITSARANA: NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PIASANA 2024.

157 0
📌 Alatsinainy faha 05 Febroary 2024. Teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, Nakatona ny taom-pitsarana 2023 ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2024.
 
📌Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita ka tsikaritra tao anatin’izany fa tratra ny tanjona nokendrena tamin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, vokatry ny fampiharana ny paikady fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana. Nahavita ezaka goavana ny Fitsarana satria didim-pitsarana miisa 226666 no tafavoaka tamin’ny taom-pitsarana 2023, raha Mpitsara miisa 685 no nisahana izany.
 
📌Amin’ity taom-piasana 2024 ity dia hitombo ny ezaka, raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary efa misy ny asa zato andro nofaritana ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
 
📌Nanotrona ny fanokafana ny taom-pitsarana 2024, ireo lehiben’ ny Andrimpanjakana isan-tokony sy ny Mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta. Nisolotena ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny CSM kosa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.
 
🆔 Nangonin ‘Lay Mahintsy
MinJus

Related Post

𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 – 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 « Hiaro anareo amin`ny…