π΄ Notontosaina nandritra ny 2 andro omaly sy androany 27 Martsa 2026 ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny teny sy haisoratra Malagasy ary ny fikarohana ara-tsiansa. Hetsika izay tafiditra indrindra ao anatinβny fankalazana ny faha-100 ny Profesora Rajaona SimΓ©on RΓ©gis.
π΄ Nitondra ny lohateny hoe : Β« Ny teny sy ny haisoratra malagasy ary ny fikarohana ara-tsiansa momba izany Β» izay karakarainβny Zana-tsehatra ary ny komity mpikarakara ny fankalazana.
π΄ Nandritra izany no nihaon’ireo mpikaroka maro sy nanaovana fandinihana indray ireo hary navelanβny Profesora Rajaona SimΓ©on RΓ©gis, mikasika ny teny malagasy satria izy no lohalaharana taminβny fandinihana ny hain-teny teny aminβny Oniversiten’ Antananarivo ary nanangana ny Zana-tsehatra malagasy sy malagasy voalohany Β« Doyen Β» teto aminβny Oniversiten’i Madagasikara.
π΄ Hampiasainβny Zana-tsehatra ho entiny miatrika ny ho avy ny tsoa-kevitra mikasika ity fikaonan-doha ity . Ho raiketana am-boky ny fikaonan-doha holovainβny taranaka sy aminβizay sehatra rehetra mifanandrify aminβny fikarohana .
π΄ Marihana fa hisy ny fifaninanana asa soratra izay tapitra aminβny volana jona 2026 hanehoana sy hanomezana lanja anβireo mpanoratra Malagasy ka fanotana boky hampiasaina aminβny fampianarana sy fikarohana ary fahaliana mikasika ny literatiora no loka azo.
β Me




