Fikambanana AMF | FANAMBARANA OFISIALY

430 0
FANAMBARANA OFISIALY
Momba ny filazana fandraisan’anjaran’ny AMF tamin’ny fivoriana tao Antanimora
Antananarivo, — Manoloana ny vaovao miely momba ny fisian’ny fivoriana notanterahina tao Antanimora, tao amin’ny toeram-ponenan’i Jeneraly Ramakavelo, ny alakamisy 02 Aprily 2026, izay nahitana solontena avy amin’ny vondrona sy fikambanana maro samihafa niresaka ny toe-draharaha ara-politika sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena, dia nisy ny fanazavana ofisialy navoakan’ny Fikambanana AMF (Aroriaka Mitolona Ho an’ny Fanorenana).
Araka ny loharanom-baovao, dia voalaza fa isan’ireo nandray anjara tamin’ity fivoriana ity ny AMF, niaraka tamin’ireo fikambanana sy vondrona toy ny KMT province, ANTAFA, Servir Mada, GENZ, GENZ Madagascar National Ofisialy, mouvement Gen Z, ary ireo mpandala ny fomban-drazana sy fikambanana hafa.
Na izany aza anefa, araka ny fanambarana nataon’Andriamatoa RAKOTONIRINA Ganguy Rina, Filoha Nasionalin’ny AMF, dia lavin’ny Fikambanana tanteraka izany filazana izany. Nohamafisiny fa tsy nandray anjara velively tamin’io fivoriana io ny AMF, ary tsy tompon’antoka amin’ireo fanapahan-kevitra rehetra mety ho nivoaka tamin’izany.
Nanampy hatrany ny fanazavana fa ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fikambanana AMF dia tsy maintsy avy amin’ny fifampidinihana sy fankatoavana iombonan’ny mpikambana ao aminy, araka ny rafitra sy ny fitsipika anatiny mifehy azy.
Amin’ny alalan’ity fanambarana ity, dia maniry ny hanitsy ny vaovao diso miely sy hiaro ny fahamarinan’ny toerana ijoroan’ny Fikambanana ny tompon’andraikitra.
Ho ela velona i Madagasikara.
Ny Filoha Nasionaly
RAKOTONIRINA Ganguy Rina

Related Post

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…