Fihaonana teo aminβny Minisitry ny Fitsarana Malagasy sy ny Minisitry ny Fitsarana ao Qatar
Tao anatinβny fanatanterahana ny fivoriana faha-11 anβireo Firenena Mpikambana ao aminβny Fifanarahanβny Firenena Mikambana hiadiana aminβny kolikoly (COSP11), notontosaina tao Doha, no nanatanterahana fihaonana ara-diplaomatika teo aminβny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana Malagasy, Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, sy Andriamatoa Masoud bin Mohammed Al Amri, Minisitry ny Fitsarana ao aminβny Fanjakanβi Qatar.
Nifantoka indrindra taminβny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo aminβi Madagasikara sy i Qatar ny fifanakalozan-kevitra, indrindra eo aminβny ady aminβny kolikoly, ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho anβireo mpitsara sy mpisehatra ara-pitsarana.
Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Fitsarana Malagasy nandritra izany fa vonona tanteraka i Madagasikara haka lesona sy handray ireo fomba fanao tsara efa voaporofo ampiharina ao Qatar, indrindra eo aminβny sehatry ny mangarahara, ny fahamarinana ary ny fitantanana mahomby ny raharaham-bahoaka.
Nandeha tao anatinβny toe-tsaina fifampitokisana sy fifanajana tanteraka ny fihaonana, ka nanokatra lΓ lana vaovao ho aminβny fiaraha-miasa maharitra sy mahasoa ho anβny roa tonta, ho fanamafisana ny rariny, ny fitantanana tsara ary ny fampandrosoana maharitra.




