Tsy kandida i Tojo RAVALOMANANA raha tsy nisy « ordonnance »

274 0
Tsy kandida i Tojo RAVALOMANANA raha tsy nisy ordonnance hoy ny teo anivon’ny CENI androany manoloana ny resabe sy fanakihanana manodidina ny resaka ordonnance ka nilazana fa tsy nakana ny hevitr’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana.
Ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA sy solombavambahoaka sasantsasany mihintsy aza no anisany tonga teny amin’ny Ceni nametraka taratasy fa tokony ekena ny hampidirana ireo olona tokony hifidy amin’ny alalan’ny ordonnance handray anjara amin’ny fifidianana hoy hatrany teo anivon’ny CENI.
Ny Ceni ihany no manana ny lisitr’ ireo olona nahazo ordonnance fa tsisy antoko politika manana izany ka antony tsy naneken’izy ireo hanao fampitahana sady tsy voalazan’ny lalàna ny tokony hanaovana izany.
 Mbola nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny CENI androany fa tsy nitory an’i Jean Luce fa plainte contre x no nataon’izy ireo noho ny piratage nahazo ny site.
 Nanaovan’izy ireo plainte contre x ihany koa ireo fanaratsiana sy fanasoketana ary fandrahonana olona ao amin’ny CENI ary tsy hisintona ny fitoriany mihintsy izy ireo.
Akoatr’izay, miantso fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ity ary miantso ny hanatsaharana ny fanaratsiana be fahatany sy fanaovana ramatahora ihany koa .
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

NANAO FANAMBARANA NY VOVONANA FIRAISANKINA

Posted by - octobre 7, 2024 0
Ny 𝗩𝗢𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗞𝗜𝗡𝗔 no tena mpanohitra eto aminy firenena. Tsy vaky ny 𝗩𝗢𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗞𝗜𝗡𝗔 araka ny fanambarana nataon’ireo Antoko politika…