ENAP, FANDRAISANA IREO MPIANATRA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA

676 0
ENAP, FANDRAISANA IREO MPIANATRA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA
 
📌Alahady 12 novambra 2023, Tontosa soamatsara ny fandraisana sy ny fampidirana ireo mpianatra ho mpandraharahan’ny fonja miisa 250 (220 mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 30 mpianatra ho Greffiers comptables) teto amin’ny Sekoly Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) Antetezambaro.
 
➡️Nandritra izany fampidirana azy ireo izany dia tsy nisy ny sampona na naratra fa amin’ny maha Sekoly fampiofanana manana ny sata manokana mifehy azy ny Enap moa dia tsy maintsy misy ny fombafomba fandraisana azy ireo. Haharitra 45 andro raha kely indrindra izao dingana voalohany hatrehin’ izy ireo izao ka hiompana tanteraka amin’ny fiofanana fototra ara-miaramila izany sy ny fampahafantarana azy ireo ny mikasika ny rafitra misy eo anivon’ny Ministeran’ ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja ary ny iraka ankinin’ ny Fanjakana amin’ireo rafitra ireo.
 
✔️Efa vonona avokoa ny filana takian’ izao dingana voalohany izao (sakafo, sns…). Marihina moa fa haharitra 12 volana ny fiofanana ho an’ny mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 18 volana ho an’ny mpianatra ho Greffiers comptables

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐙𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐅𝐎𝐓𝐒𝐘

Posted by - février 25, 2026 0
Antanifotsy, 24 Febroary 2026 – Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehiben’ny Faritra…