๐…๐š๐ง๐š๐ฆ๐›๐š๐ซ๐šฬ€๐ฆ-๐ฉ๐š๐ง๐š๐ง๐š๐ง๐š : ๐๐ข๐ง๐ ๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ง๐ค๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฆ๐š๐ง๐ ๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ซ๐š | ๐Œ๐ข๐ญ๐š๐ซ๐ข๐ค๐š ๐จ๐ก๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐†๐š๐ฌ๐œ๐š๐ซ ๐…๐ž๐ง๐จ๐ฌ๐จ๐š

197 0
Ao anatinโ€™ny fanamafisana ny ady aminโ€™ny kolikoly sy ny fampiroboroboana ny mangarahara eo aminโ€™ny fitantanana raharaham-panjakana, dia hitarika ireo tomponandraikitra ambony eo anivonโ€™ny Ministeranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina hanatitra fanambarร m-pananana eny aminโ€™ny BIANCO ny Minisitra Gascar Fenosoa.
Araka ny fanazavana voaray, ity fandraisana andraikitra ity dia tsy voafetra aminโ€™ny fanarahana fotsiny ny fepetra ara-dalร na, fa mikendry indrindra ny hametrahana kolontsainโ€™ny mangarahara sy ny tamberinโ€™andraikitra ho fototry ny fitantanana. Ny fanambarร m-pananana dia anisanโ€™ireo fitaovana heverina ho manan-danja aminโ€™ny fisorohana ny kolikoly sy aminโ€™ny fanamafisana ny fitokisanโ€™ny olompirenena aminโ€™ny rafi-panjakana.
Nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataonโ€™ny Tale Jeneralinโ€™ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor, tao aminโ€™ny biraonโ€™ny Minisitra ao Nanisana, no nifampizarana hevitra momba ny paikady iarahana manatanteraka izany. Voaresaka manokana ny anjara asanโ€™ny serasera aminโ€™ny fanabeazana sy fanentanana ny vahoaka, satria ny ady aminโ€™ny kolikoly dia tsy raharahanโ€™andrim-panjakana irery, fa andraikitry ny fiarahamonina iray manontolo.
Naneho fahavononana mazava ny Minisitra aminโ€™ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aminโ€™ny BIANCO, ary nanentana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mba handray anjara mavitrika aminโ€™ny fametrahana rafitra madio sy azo antoka. Ny tanjona dia iray: fametrahana fitantanana mendrika, manaja lalร na ary miorina aminโ€™ny fahamarinana.
Ao anatinโ€™ny toe-draharaha itadiavanโ€™ny vahoaka fahatokisana sy mangarahara bebe kokoa aminโ€™ny raharaham-panjakana, dia heverina ho dingana manan-danja ity hetsika ity. Raha te hanorina rafitra matanjaka sy maharitra ny firenena, hoy ny mpandinika, dia tsy maintsy miainga aminโ€™ny fahadiovanโ€™ny fitantanana sy ny ohatra asehonโ€™ireo tomponandraikitra ambony izany.
Nangonin’i Bevomaso
๐Ÿ“ท: MSK

Related Post