FIANARANTSOA: ASA FANAOVAN-GAZETY –  
*Fankasitrahan’ny Fanjakana an’i Saholy : Notolorana « Chevalier de l’Ordre National » à titre postume*

87 0

Naneho fankasitrahana amin’ny asa sy fandraisana andraikitra nataon’i Saholinirina Yolande Marie Michelle ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny fanomezana mari-boninahitra ambony ho an’ny fianakaviany.

Tao Ankofafalahy no nanatanterahana ny lanonana manetriketrika nanolorana ny mari-boninahi-pirenena * »Chevalier de l’Ordre National »* an’i Saholinirina Yolande Marie Michelle, mpanao gazety tao amin’ny Radio Tsiry, *à titre postume*. Fanomezam-boninahitra avy amin’ny Fanjakana noho ny asa maha-olom-pirenena sy ny fandraisany anjara lehibe teo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao.

Ramatoa *Harilalaina Irma Juliandres*, Prefen’i Fianarantsoa, no nanolotra izany tamin’ny anaran’ny *Filoham-pirenena* sy ny *Filohan’ny mari-boninahi-pirenena*.

Nanotrona sy naneho fanajana ny fianakaviana ireo solontenan’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety, ho fanehoam-piraisankina sy fanajana ny mpiara-miasa taminy.

Mari-boninahitra entina mankalaza ny hasin’ny asa fanaovan-gazety sy manome aingam-panahy ho an’ireo mbola mitohy amin’ny asa fitoriana marina sy andraikitra amin’ny fiarahamonina.

✍️ Ando Rafahatelo

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…