Ankirihiry 11/56: Tsy miraviravy tanana ny Commune Urbaine de Toamasina,amin’ny fanampiana ireo vahoaka amin’ny famoahana ny rano.
Nanomboka ny maraina teo ,dia niasa tao antoerana ny mpiasan’ny Sampana mpamonjy voina,ary nanampy azy ireo ny avy amin’ny Tafika Malagasy tamin’ny alalan’ny 4em UPC.
Raha ny fantatra dia hotohizana androany alina ny asa,araka ny toromarika avy amin’ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina. Sady midina ifotony no manara-maso ny asa ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanana ,Atoa Rabelonahina Martial.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy