Feon’ny Salt Fianarantsoa | Namangy azy ireo ny Rev. Shauen Trump

330 0
Namangy sy nitondra fampianarana mahakasika ny Teolojian’ny Hazofijaliana teto amin’ny SALT ny Rev. Shauen Trump, mpiandraikitra ny fitoriana ny filazantsara aty Afrika ao amin’ny Lutheran Church of Missouri Synod nandritra ny telo andro, nanomboka ny alatsinainy 04 desambra hatramin’ny omaly 06 desambra.
 
Misaotra ny Foibe FLM naniraka azy fa betsaka ny fampianarana voaray taminy, ary misaotra ireo iraka manokana nanatanteraka ny fandikan-teny dia ny Past Dr RANDRIANASOLO Joseph, Doyen LIME sy ny Pastora ANDRIAMANANTENA Tahiandrazana Nosiarilala (SPAM).
 
Jesosy Kristy Tompo anie hamaly fitia anareo tsirairay avy noho ny fandavan-tenanareo lehibe.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
 
 
Loharano nanovozana : Feon’ny Salt Fianarantsoa

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…