Farm Analamanga | Niofana mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra

251 0

FARM Analamanga | Niofana mahakasika ny ady atao amin’ny Herisetra tany amin’ny Kaominina Fiaferana, Antananarivo Avaradrano

Andro maromaro lasa izay dia efa nitety tanana dia nanao fanentanana sy nampahafantatra ny fisian’ny herisetra mianjady amin’ny mpiara-belona, sy ny ady atao amin’izany ireo Vehivavy Tantsaha Mpikambana sy Mpikatroka ato anatin’ny Fikambanana FARM ( Femmes en Action Rurales de Madagascar) ka ny Kaominina Fiaferana, ato amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nosafidianan’izy ireo hanatanterahana izany.

Ny 01 Desambra 2023 ary, dia nisy ny fampivondronana sy fampiofanana an’ireo Mpikambana ireo, ka Vehivavy Tantsaha maherin’ny 60 mirahavavy no tonga nanatrika izany. Ity fiofanana ity andaniny dia mifanandrify indrindra amin’ny « hetsika herinandro hiadiana amin’ny herisetra » ka nisy ny fifampizarana sy fampitana traikefa hoan’ireo efa ela niantsorohana amin’ity ady atao amin’ny herisetra ity.

Tonga nampita ny fahalalana ananany ihany koa Ramatoa Filoha Nasionalin’ny FARM, Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia, izay nanatitratitra fa tsy honohono fa tena ho isan’nandro dia misy hatrany ny herisetra miseho eto amin’ny fiaraha-monina, indrindra amin’ny vehivavy, koa manoloana izany indrindra no antom-pisian’izao hetsika tanterahin-tsika izao.

Fantatra fa ny lohahevitra nosafIdiana, dia ny hoe «  Ny fahanginana dia firaisana tsikombakomba amin’ny herisetra »

Anisan’ny nentina nanamarihana an’ity hetsika ity moa ny filaharam-be nanodidina ny tanana !

… Adidiko, adidinao ny fanoherana ny herisetra amin’ny lafiny rehetra…

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…