Farm Analamanga | Niofana mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra

207 0

FARM Analamanga | Niofana mahakasika ny ady atao amin’ny Herisetra tany amin’ny Kaominina Fiaferana, Antananarivo Avaradrano

Andro maromaro lasa izay dia efa nitety tanana dia nanao fanentanana sy nampahafantatra ny fisian’ny herisetra mianjady amin’ny mpiara-belona, sy ny ady atao amin’izany ireo Vehivavy Tantsaha Mpikambana sy Mpikatroka ato anatin’ny Fikambanana FARM ( Femmes en Action Rurales de Madagascar) ka ny Kaominina Fiaferana, ato amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nosafidianan’izy ireo hanatanterahana izany.

Ny 01 Desambra 2023 ary, dia nisy ny fampivondronana sy fampiofanana an’ireo Mpikambana ireo, ka Vehivavy Tantsaha maherin’ny 60 mirahavavy no tonga nanatrika izany. Ity fiofanana ity andaniny dia mifanandrify indrindra amin’ny « hetsika herinandro hiadiana amin’ny herisetra » ka nisy ny fifampizarana sy fampitana traikefa hoan’ireo efa ela niantsorohana amin’ity ady atao amin’ny herisetra ity.

Tonga nampita ny fahalalana ananany ihany koa Ramatoa Filoha Nasionalin’ny FARM, Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia, izay nanatitratitra fa tsy honohono fa tena ho isan’nandro dia misy hatrany ny herisetra miseho eto amin’ny fiaraha-monina, indrindra amin’ny vehivavy, koa manoloana izany indrindra no antom-pisian’izao hetsika tanterahin-tsika izao.

Fantatra fa ny lohahevitra nosafIdiana, dia ny hoe «  Ny fahanginana dia firaisana tsikombakomba amin’ny herisetra »

Anisan’ny nentina nanamarihana an’ity hetsika ity moa ny filaharam-be nanodidina ny tanana !

… Adidiko, adidinao ny fanoherana ny herisetra amin’ny lafiny rehetra…

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…