FARITRA MENABE MITOHY HATRANY NY TANAMARON’NY FANDRIAM-PAHALEMANA

241 0

πŸ“Œ Nidina ifotony tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilizato omaly ny alatsinainy ny lehiben’ny vondrontobim-pileovana Menabe Colonel Fanevason Onimihary sy ny lehiben’ny vondrontobim_paritra Morondava Capitaine Ramaroson Zo eo anivon’ny zandarimaria nanatanteraka ny tanamaron’ny fandriam_pahalemana ka olona aman’alina no nitarika izany teo amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Ankilizato na dia latsaka aza ny orana dia tsy nisy niala ny rehetra nampafantarina ny vahoaka ny atao hoe dahalo sy ny asan-dahalo ary ny andraikitry ny mpitandron’ny filaminana indrindra fa ny an’ny zandary, teo koa ny fampafantarana ny andraikitry ny tsirairay, namafisina ihany koa fa ny olona rehetra feno taona dia tokony hanana sy hitondra karam-panondro hatrany amin’izay toerana alehany, nomena toromarika ny rehetra ny hametrahana ny fandriam_pahalemana izay niainga avy amin’ny Ben’ny Tanana sy ny lehiben’ny Tobim-paritrin’ny Zandary ao Ankilizato ary ny lehiben’ny boriboritany sy ireo lehiben’ny fokotany miaraka ny vahoaka fa tsy maintsy vitaina ao anatin’ny herin’andro ny famerenana ny fandriam-pahalemana ao Ankilizato hapetraka ny jado ary tokony hanana karam-panondro avokoa izay feno taona ary tsy maintsy misoratra any amin’ny fokotany daholo.

πŸ“Œ Alohan’ny hampiarana ny lalΓ na sy handraisana fepetra dia ampafantarina ny rehetra aloha ny lalΓ na ka izay no antony hanaovana fanentanana hoy Colonel Faneva ary natao koa ny fanetanana mba hanatanterahana ny zandary manakaiky vahoaka isany noresahina nandrin’ny fanetanana ihany koa ny tsy tokony hatahoran’ny olona ny zandary satria ny vahoaka no mpampiasa azy ireny ka tokony tsy hisy ny elan’elana eo amin’ny roa tonta satria natao hiara hiasa ny mpitandron’ny filaminana sy ny vahoaka amin’ny fametrahana ny fandriam_pahalemana. Mitohy hatrany moa ny tanamaron’ny fandriam_pahalemana izay fanentanana ataon’ny Colonel Faneva ato Menabe amin’ny fitetezana ireo kaominina ato Menabe eo koa ny fandaharana isaky ny Alahady hariva amin’ny 5 ora izay arahina amin’ireo haiko vaky jery ato Menabe, isany niavaka indrindra ny tao Ankilizato tamin’ireo toerana nolalovany tato Menabe satria dia na latsaka aza ny orana dia tsy nisy niala ny rehetra izay mian_dahy miam_bavy satria samy liana amin’ny fametrahana fandriam_pahalemana na ny zaza aza moa dia vory tao koa, natomboka tamin’ny vavaka moa ny fotoana ary nofaranana tamin’ny vavaka ihany koa. Velom_pisaorana ny lehiben’ny vondrontobim_pileovan’ny zandary ato Menabe moa ireo mponina tamin’ny fanentanana sy fampafantarana ireo azo atao sy tsy azo atao.

πŸ†” Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post