FARITRA MENABE BEN’NY TANANA IRAY NIDOBOKA AM-PONJA VONJIMAIKA

1780 0

📌 Nisy lehilahy iray nampiahiahy ny zandary naonao fisafoana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Beroboka avatra ao amin’ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina ka niroso tamin’ny fisavana azy ireo zandary dia nahitana moara (ody gasy) sy fahana Telma maromaro taminy nandritr’izany niroso tamin’ny fisamborana sy fitazomana azy ny zandary ary nanokatra fanadihadiana satria isany fataon’ireo mpaka an_keriny ny mividy fahana maro mba hiantsoana ny fianakavian’ny olona alainy an_keriny.

📌 Nandritrin’ny fanadihadiana dia tonga namonjy ireo zandary ity ben’ny Tanana ity ka nikasa hanao kolikoly ka nilaza fa handoha vola 500.000 Ariary mba ho tambiny hamotsorana ilay olon_dratsy saingy nandaha izany ireo zandary ary nanohy ny fanadihadiana hatrany niezaka niantso sy nandefa hafatra hatrany anefa ity Ben’ny tanana ity ary nilaza fa nirahin’ny fianakaviana nohon’ny firazana iraisana eo amin’izy ireo ary nanao farateny fa sarotra hiara miasa ireto zandary ireto.

📌 Nitohy moa ny tantara satria tonga teny amin’ny birao mahaleon_tena amin’ny ady amin’ny kolikoly rehefa nisy nitory teny dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny BIANCO ka olona telo no voarohiroy ary natolotra ny fampanoavana androany 8 febroary ka ny roa no nahiditra am_ponja vonjimaika isan’izany ny bBn’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Beroboka Avaratra ao amin’ny Distrikan’ny Belo sur Tsiribihina.

📌 Nitondra hafatra ho an’ny rehetra moa Andriamatoa Andrianirina Narcis lehiben’ny fampanoavana eto Morondava hoe Aoka avela hanao ny asany malalaka ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana, entanina ny Tomponandraikitra rehetra sy ny daholobe mba tsy hijabaka amin’ny andraikitry ny hafa, iangaviana hoy izy ny rehetra indrindra fa ny Tomponandraikim-panjakana mba tsy hanao fanelalelanana fa ny vokatry ny fanadihadiana ihany no manamarina na manafaka olona iray fa aleo samy hizaka ny vokatry ny nataony.

📌 Isany fototra iray amin’ny ady amin’ny tsy fandriam_pahalemana ato Menabe ny kolikoly ataon’ireo olom_boafidy na olom_boatendry izay manao tsindry ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana ka izay no ataon’ny tsy mahafoana ny tsy fandriam_pahalemana ato Menabe Efa mitohy moa ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimaria sy ny fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly satria maro ireo fanentanana sy ezaka efa vita ary isany nampiverina ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana eto Morondava izany raha sary hafa no hitan’olo taloha dia isan’ny mahatonga ny olona sahy mitoroka amin’ny Bianco izany an_kehitriny.

Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑶𝑭𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑴𝑶𝑭𝑶𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑵𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 ᴀʟᴀʀᴏʙɪᴀ…