π…πŽπ‘π“-πƒπ€π”ππ‡πˆπ | π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€ππ€ π…πˆπ“π€πƒπˆπ€π•π€πŒ-ππ€π‡π€πŽπ‹π€ππ€ π’π˜ π…π€ππƒπ€πŒπˆππ€ππ€ π…πŽπŒππ€ π…πˆπ€π’π€ πŒπ€π‡πŽπŒππ˜ πˆπ€πƒπˆπ€ππ€ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πƒπŽπ‘πŽ π“π€ππ„π“π˜ π’π˜ πƒπŽπ‘πŽ 𝐀𝐋𝐀-π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€ππŽΜ‚π’π˜

10 0
Mihamahazo vahana teto anivon’ny Faritra AnΓ΄sy ny doro tanety sy doro ala nandritra ny faraparan’ny taona 2024 sy amin’izao fiandohan’ny taona 2025 izao.
Manoloana izany dia nanatanteraka fivoriana maika tamin’ny alalan’ny fifandraisana ampitain-davitra ,niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ;
Ireo teknisianina tarihin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC : GΓ©nΓ©ral ELACK Olivier ;
Ireo ekipan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy;
Ireo tompon’andraikitra avy eto an-toerana mpikambana ao amin’ny CRGRC(ComitΓ© RΓ©gionale de Gestion des Risques et de Catastrophes);
Ny Governoran’ny Faritra AnΓ΄sy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA,
Ny Lehiben’ny Fileovan’i Tolagnaro,
Ireo mpikambana ao amin’ny FDS (Hery Fiarovana sy Filaminana) ary ireo mpamonjy voina,
Ireo Talem-paritra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra singanina manokana amin’izany ny orin’asa QMM Rio Tinto.
Nifantoka tamin’ny fitadiavam-bahaolana sy fandaminana fomba fiasa mahomby iadiana
amin’ny doro ala sy doro tanety ny dinika nifanaovana ka voaresaka nandritra izany :
– Ny samy handraisan’ny isan’ambaratongany andraikitra araka izay tandrify azy,
– Ny fanaovana tatitra mazava sy haingana isan’ambaratongany avy,
– Ny fampitaovana mifandraika amin’ny filan’ireo hery velona aty ifotony iadiana amin’ny doro tanety.
Hatsangana ato anatin’ny fotoana fohy ihany koa ny Ivotoerana ho fanarahamaso sy handray anjara amin’ny fanetsehana ireo hery velona miady amin’ny dorotanety.
Nangonin’i AARRONE KENNEDY
πŸ“· Faritra AnΓ΄sy

Related Post