FANKALAZANA NY 64 TAONA NY FAHALEOVAN_TENAM_PIRENENA FARITRA MENABE

194 0

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 22 Jiona ny fety fankalazana ny fetim_pirenena Malagasy sy ny tsingerin_taona ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy ny fanokafana ny kermesy izay karakarain’ny Miaramila no noentina nanamarika izany kermesy izay hitohy isan’andro ahitana ireo karazana kilalao sy varotra maro ary indrindra ny fisian’ny fampirantiana ireo fitaovana ampiasainy foloalindahy eto Menabe sy fampafantarana ireo andry telo miandraikitra ny filaminana dia ny Tafika sy ny zandarmiaria ary ny polisim_pirenena
Nilaza moa ny Jeneraly Randriantaolo Honoré komandin’ny ZDS Tsiribihy fa hiavaka tanteraka ity kermesy 2024 satria hanehoan’ireo foloalindahy firaisakina ho an’ny fampandrosoana marina ny firenena ary ny filaminana izay efa sitrahin’ny vahoaka ankehitriny dia avadika ho fampaara_ekonomika.
Hetsika maro moa no entina hankalazana ny fetim_pirenena ato Menabe eo ny kermesy ary ireo fifaninana ara_panatanjahan_tena maro ary ny afomanga isaky ny renivohitry ny distrika ato Menabe indrindra moa fa ny fanaovana arendrina sy ny matso lehibe ny andron’ny 26 Jiona.
Nilaza moa ny Préfet an’ny Morondava Andriamatoa Rafidison Fidèle fa ny marainan’ny 26 Jiona dia tsy azo atao ny mivarotra zava_pisotro mahamamo, ary entanina ihany koa hoy izy ny fananganan_tsaina ho an’ireo izay mbola tsy nanangana izany.
Nangonon’ny Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘

Posted by - avril 14, 2024 0
💢 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐓𝐑𝐎𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀…