Tany amin’ny Kaominina Andromba sy Imerimandroso no nanohizan’ny Prรฉfet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA Dieudonnรฉ sy ireo mpiara dia aminy ny TPG na ‘Tournรฉ de Police Gรฉnรฉralย ยป andronay Alatsinainy 02 Desambra 2024.
Voaresaka nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo Sefo Fokontany, Kaomity loharona ary Tangalamena ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana mba hisian’ny filaminana mialoha mandritra ary aorian’ny fifidianana, voaresaka ihany koa ny mahakasika ny fandriampahelena sy ireo olona mety sadrain’ireo vahoaka eny ifotony.
Nitondra fampafantarana sy fanazavana ny anjara andraikitry ny Fitondram-panjakana manoloana izao fiatrehena ny Fifidianana izao moa ny Prรฉfet an’Ambatondrazaka ary nanentana ny vahoaka ho tonga maro henefa ny adidiny amin’ny 11 Desambra 2024 izao.
Nangonin’i Lova Janร