Fandraisana ny Afo tsy Maty teo amin’ny Gara Ambatondrazaka no nanombohana ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy teto amin’ny Renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ny Alahady 30 Martsa 2025 hariva.
Ny ben’ny tanana RATAFITA Fanantenana amin’ny maha Ray aman-dRenin’ny tanana azy no nandray izany voalohany ary nanolotra azy ho an’ny talem-paritry ny Kolotsaina sy serasera.
Tao aorian’izay dia niroso tamin’ny diabe namakivaky ny tanana ny rehetra, ka nandray anjara tamin’izany avokoa ireo fikambanan’ny mpikabary, sampandraharaha samy hafa, ny fikambananan’ny skoto sns…
Nifarana teo amin’ny tranobean’ny Serasera sy kolontsaina ny diabe ary niroso tamin’ny kabary nifandimbiasana ka nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no niarahaban’Andriamatoa ben’ny Tanana ny Vahoaka Malagasy tsy vaky volo, indrindra fa vahoakan’Ambatondrazaka nahatratra ny Asaramanitra ary nanentany ny rehetra handala mandrakariva ny kolotsaina maha Malagasy sy fihavanana.
Nitohy tamin’ny tsimandrimandry sy afondafy moa ny lanonana ary nisy ny antsa tonokalo sy vokadrazana ary fanentanana samy hafa.
Ho famaranana izao fankalazana izao dia hisy ny fiaraha misakafo amin’ny vary tondran-dronono sy tantely anio 31 Martsa 2025 ho an’ireo voaasa manoka.