Ivato, 27 Febroary β Tonga eto Madagasikara ny fanampiana milanja 303 taonina, ahitana fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, avy aminβny Rosia, tao anatinβny fiaraha-miasa ara-diplaomatika sy ara-pirahalahiana misy eo aminβny firenena roa tonta.
Teny aminβny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nandray izany taminβny fomba ofisialy ny Filohanβny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michael Randrianirina, niaraka taminβny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy ao anatinβny Governemanta, ary koa ireo tomponβandraikitra ambony sivily sy miaramila.
Araka ny fanazavana azo, dia natao hanohanana ny ezaka ataonβny fanjakana aminβny fiatrehana ny filΓ na maika sy ny fanamafisana ny fahavononana ara-pitaovana ity fanampiana ity. Ahitana fitaovana ilaina aminβny asa sosialy sy fanampiana ara-tsakafo ho anβireo marefo indrindra izany.
Nambaranβireo tomponβandraikitra nandritra ny lanonana fa mariky ny fifandraisana matanjaka sy ny fifampitokisana eo aminβi Madagasikara sy Rosia izao fanolorana izao. Nanamafy izy ireo fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena toy izao no anisanβny andry iankinanβny fanohanana ny fampandrosoana sy ny fanarenana ara-tsosialy.
Ho zaraina araka ny filΓ na sy ny laharam-pahamehana apetraky ny fanjakana ireo fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, ka antenaina fa hitondra fanamaivanana ho anβireo sokajinβolona mila tohana manokana.
Aminβny ankapobeny, manamarika dingana iray vaovao eo aminβny fiaraha-miasa stratejika eo aminβny firenena roa tonta ity fanomezana 303 taonina ity, sady maneho fa mitohy ny fanamafisana ny fifandraisana eo aminβi Madagasikara sy Rosia.




