FANAMARIHANA NY FAHA_50 TAONAN’NY FIKAMBANAN’NY SILAMO MALAGASY (FSM)

153 0
🔴 Vory lanona teny amin’ny CCI Ivato ireo mpino silamo malagasy omaly alahady 24 Novambra 2024 nandritra ny lanonana fanamarihana ny faha_50 taona nijoroan’ny FSM na Fikambanan’ny silamo Malagasy.
🔴 Olo_manan_kaja maro no tonga nanome voninahitra ity lanonana ity; isan’izany ny filoha lefitry ny antenimieram_pirenena faritanin’Antananarivo Augustin ANDRIAMANANORO izay nisolotena ny fitondram_panjakana.
🔴Nambarany nandritra izany fa matoa mafy orina ny fikambanana FSM dia noho ny fifankatiavana sy firaisankina .Tsy tongatonga ho azy rahateo ny finoana silamo fa efa finoan’ny razantsika hoy izy nanipika.
🔴 Manana anjara toerana lehibe kosa ity fikambanana ity raha ny nambaran’ ny filohany ABOUSOUARY Saïd Arsène satria:
👉Nanomboka ny 1974 mandrak’ankehitriny dia miahy ny finoana silamo.
👉 Mampifandray ny fanjakana amin’ireo mpino ary mamdrindra ny zavatra momba ny finoana silamo eto Madagasikara.
🔴 Saropiaro amin’ny resaka fandriam_pahalemana sy ny fanabeazana ity fikambanana ity ary tsy manao politika saingy malalaka amin’ny firehin_kevitra arahiny kosa ireo mpikambana tsirairay.
🔴 Niantso ny vahoaka malagasy hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana ny 11 desambra ho avy izao ihany koa akoatr’izay ny filohan’ny FSM ary miantso ny hisian’ny filaminana mba hivoahan’ny tena safidim_bahoaka .
📝 M Elvina

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…