TOAMASINA: Niavaka ny fanamarihana ny andron’ny Sekoly izay natao tao amin’ny EPP Agnamborano Besakay.

411 0
Tao amin’ny EPP Agnamborano Besakay,Fokotany Ambodisaina ,CR Tamatave Suburbaine, no nosafidin’ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana,nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andron’ny sekoly.Hazo miisa 200 no nambolena manodidina ny sekoly izay niarahan’ny Mpiasan’ny DREN Atsinana,sy ireo Mpianatra ,niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy tangalamena antanana nanatanteraka.
 
Ankoatra izay dia nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo Mpianatra ao amin’ny EPP Agnamborano Besakay Rtoa Ravolafeno Sylvie,Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana.
« SEKOLY IVON’NY FIARAHAMONINA, MPIANATRA VONONA SY VANONA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA LOVAN-JAFY » io no lohahevitry ny andron’ny sekoly amin’ity taona ity.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…