FAMERENANA IREO PAIK’ADY HISIAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA

266 0
FAMERENANA IREO PAIK’ADY HISIAN’NY *FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA AO AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY DISTRIKAN’I MIANDRIVAZO*
 
Ampatsiavina fa tao anatin’ny roa taona dia tsapa fa nilamina tanteraka ny distrikan’i Miandrivazo fa indrindra ny tapany avaratra( CR Ankavandra,CR Itondy,CR Soaloka,CR Betsipolitra,CR Manandaza).Tamin’ny volana martsa lasa teo anefa dia nisy kaominina iray nandringa tamin’ny fandriampahalemana dia ny kaominina Ankavandra.
 
Nisy ny fepetra noraisina manandrify izany.Isan’izany ireto manaraka ireto :
-Nesorina ny tompon’andraikitra tsy mahavoafehy ny asany,
– nisy ny *fidinana ifotony nataon’ny komandin’ny vondrotobim-paritry ny zandarimaria* Miandrivazo miaraka amin’ireo zandary maro mba hanantevin-daharana ny zandary eny an-tsehatra tarihin’ny officier coordinateur sy ireo zandary miasa ao Soaloka,Itondy,Befotaka hanenjika ireo mpanao ratsy,
-fanentanana mikasika ny tagnamaron’ny fandriampahalemanana narahina **fampianarana sy fampahatsiavina ny andraikitry ny tsirairay,
  • fanazaran-tena* ho an’ireo *zandary* entina miantsehatra eny an- kianja,
  • titiky faobe nampanaovin’ny tangalamena na lonaky* ho an’ny fokontany 14 mandrafitra ny kaominina Ankavandra mba tsy hisy intsony ny hanao asa ratsy,
  • Nohamafisina* ihany koa ny *DINA,*
  • Nisy ny fanendrena *tompon’andraikitra isaky ny loha kizo,*
  • fampihavanana ireo olona manana disadisa ka ahiana mety hiteraka fikorontanana,
  • fizarana badge ho an’ireo **vatan-dehilahy TSY TIA ASAN-DAHALO,*
 
Ankehitriny dia milaminana ny fiainan’ny vahoaka ary nankasitraka ireo rehetra niara-niantsehatra tamin’izany ny Tomponandraikim-panjakana sy ny mpitandron’ny filaminana.
 
🖋️Ra Pa Menabe

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…