FAHATRATRARANA MPANGALATRA ENTANA ANATY FIARA MANDEHA LALAN-DRATSY TAO AMIN’ NY LALAM-PIRENENA FAHAROA RN2.

107 0
FAHATRATRARANA MPANGALATRA ENTANA ANATY FIARA MANDEHA LALAN-DRATSY TAO AMIN’ NY LALAM-PIRENENA FAHAROA RN2.
 
Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Vohibinany (Brickaville ) ilay tovolahy tompon’antoka tamin’ny resaka halatra entana anaty fiara tsy mahataho-dalàna na (4×4) izay niseho tamin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny tao amin’ny toerana antsoina hoe Androranga, fokontany Nierenana, Kaominana Ambonivohitra Vohibinany.
 
Raha tsiahivina dia omaly hariva 16 aprily 2024 tokony tamin’ny 09 Ora no nisy nangalatra ireo entanan’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara voalaza etsy raha avy Antananarivo hiazo ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Nanaraotin’ny tsy matahotody ny fandalovany sy fandehanan’io fiara io mora teo amin’ny lalan-dratsy voalaza ka very vokatr’izany ny sakaosy miisa telo izay misy solosaina(ordinateur), fitaovana fakan-tsary ( appareil photo) sy kojakoja ary fitafiana maro samy hafa.
 
Vokatry ny fikarohana nataon’ireo zandary teny an-toerana sy ny fidrandrahana ireo angom-baovao dia tratra androany 17 aprily 2024 maraina ny iray tamin’ireo nahavanon-doza raha toa ka mbola karohina ny namany iray izay mbola mitsoaka ankehitriny . Hita arak’izany ny solosaina( ordinateur) sy ireo sakaosy, « ventilateur ».
Efa eo ampelatan’ny manam-pahefana ao Vohibinany ny raharaha ankehitriny ary hatolotra ny fampanoavana ao Toamasina aorian’ny Famotorana.
 
Ny zandarimariam-pirenena dia manentana ireo mpampiasa làlana mba ho mailo lalandava ary hanamarina tsara ny hidin’ny fiara rehefa mandalo amin’ireny lalan-dratsy ireo fa tsy kely làlana ny mpanao.
Aoka ihany koa tsy hisalasala hiantso ny zandarimariam-pirenena akaiky anao indrindra raha sendra misy ny mampihahiahy na tranga eny làlana mba hahafahana manampy anao ara-potoana satria  » NAMANAO HATRANY NY ZANDARIMARIA »
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy
Source: Zandarimariam-pirenena m-pirenena Atsinanana.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…