DISTRITRA MORONDAVA TSY VITA OMALY NY FANDRAISANA NY FIROTSAHAN-KOFIDIAN’IREO KANDIDA NOHON’NY FAHATAPAHAN’NY JIRO

184 0
DISTRITRA MORONDAVA TSY VITA OMALY NY FANDRAISANA NY FIROTSAHAN-KOFIDIAN’IREO KANDIDA NOHON’NY FAHATAPAHAN’NY JIRO
Hatramin’izao fotoana hanoratana izao dia mbola ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo kandida ny OVEC Morondava satria tapatapaka foana ny jiro omaly eny fa nadia natsoina aza ny talehan’ny Jirama dia hatramin’ny 12 alina ihany ny jiro no nalefany fa tsy nety nandefa intsony izy tao aorian’io ora io na dia mbola nisy kandida roa mbola tokony ho raisina aza tsara ho marihina moa fa samy tonga talohan’ny tamin’ny 5 ora hariva avokoa ireo kandida ireo ary efa nomen’ny CED laharana avokoa fa teo amin’ny fikirakirana sy fandaminan’ireo kandinda ireo atotan-taratasy no ela niampy ny fahatapahan’ny jiro ihany maro tamin’ireo kandida moa no niandry ny ora farany vao tonga hanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ka isany nahatonga izao fahatarana izao .
26 moa no isan’ireo kandida nmpilatsaka ho fidiana ho an’ireo kaominina 6 mandrafitra ny distrikan’ny Morondava ka 3 amin’ireo ihany no vehivavy ary 15 dia nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha 6 ny IRMAR 1 kosa natolotry ny ARB ary 4 no natolotry ny firaisankina .
– Kaominina ambonivohitra Morondava 5 ka iray vehivavy
– Kaominina ambanivohitra Analaiva 3
– Kaominina ambanivohitra Befasy 4 ka iray vehivavy
– Kaominina ambanivohitra Bemanonga 5 ka iray vehivavy
– Kaominina ambanivohitra Belo sur Mer 3
– Kaominina ambanivohitra Marofandilia 6
Mbola anatin’ny asa tanteraka moa ireo ratsaman-gaikan’ny CENI ato amin’ny distrikan’ny Morondava amin’izao ora izao .
Nangonon’i RA PA

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…