DISTRITRA MORONDAVA TSY VITA OMALY NY FANDRAISANA NY FIROTSAHAN-KOFIDIAN’IREO KANDIDA NOHON’NY FAHATAPAHAN’NY JIRO

538 0

Hatramin’izao fotoana hanoratana izao dia mbola ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo kandida ny OVEC Morondava satria tapatapaka foana ny jiro omaly eny fa nadia natsoina aza ny talehan’ny Jirama dia hatramin’ny 12 alina ihany ny jiro no nalefany fa tsy nety nandefa intsony izy tao aorian’io ora io na dia mbola nisy kandida roa mbola tokony ho raisina aza tsara ho marihina moa fa samy tonga talohan’ny tamin’ny 5 ora hariva avokoa  ireo kandida ireo ary efa nomen’ny CED laharana avokoa fa teo amin’ny fikirakirana sy fandaminan’ireo kandinda ireo atotan-taratasy no ela niampy ny fahatapahan’ny jiro ihany maro tamin’ireo kandida moa no niandry ny ora farany vao tonga hanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ka isany nahatonga izao fahatarana izao .

26 moa no isan’ireo kandida nmpilatsaka ho fidiana ho an’ireo kaominina 6 mandrafitra ny distrikan’ny Morondava ka 3 amin’ireo ihany no vehivavy ary 15 dia nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha 6 ny IRMAR 1 kosa natolotry ny ARB ary 4 no natolotry ny firaisankina .

Mbola anatin’ny asa tanteraka moa ireo ratsaman-gaikan’ny CENI ato amin’ny distrikan’ny Morondava amin’izao ora izao .

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …