LANONANA ARA- MIARAMILA SEKOLY AMBONY ZANDARIMARIAMPIRENENA MORAMANGA

598 0
Tontosa ny 15 aprily 2024 teo ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Komandy teo aloha ny Jeneraly Heriniaina RABEMANANJARA sy ny Komandy vaovao ny Jeneraly Josh RABEMANANTSOA.
 
Delegasiona mafonja no tonga nanome voninahitra ny lanonana,
notarihin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ny jeneraly Richard RAVALOMANANA, ny kolonely Livah RANDRIANATREHINA Minisitry ny asa vaventy, ny Jeneraly Andriantsarafara RAKOTONDRAZAKA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Andriatahina RAKOTOMALALA, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Ny Jeneraly DERAMASINJAKA, lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ary ny Jeneraly Ny Haingo RAMASITERA, Komandin’ireo Sekoly sy ny fanofanana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
 
Vina sy fanambin’ny Komandy vaovao ny hanohizana sy hantsarana ny zava- bitan’ny teo alpha ( fihofanana manaraka ny toetrandro, fanatsarana sy fananganana foto-drafitrasa vaovao, ny fanohizana ny fiaraha-miasa min’ireo mpiara- miombonantoka sy ireo Mpandraharaha rehetra, ny ady amin’ny kolikoly,..)
 
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ireo un manampahefana, olom-boafidy sy olom- boatendry avy aty amin’ny Faritra.
 
Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

π…πšπ«π’π­π«πš π’πŽπ…πˆπ€ – π“π¨π§π πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐒𝐧𝐨𝐚 π‘πšπ§πšπ¦π›π¨πšπ­π«πš π₯𝐚π₯𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐑𝐚-31 𝐛𝐒𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐑𝐒𝐑𝐲 – 𝐁𝐞𝐚π₯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
π…πšπ«π’π­π«πš π’πŽπ…πˆπ€ – π“π¨π§π πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐒𝐧𝐨𝐚 π‘πšπ§πšπ¦π›π¨πšπ­π«πš π₯𝐚π₯𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐑𝐚-31 𝐛𝐒𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐑𝐒𝐑𝐲 – 𝐁𝐞𝐚π₯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…