DISTRIKAN’NY SOANIERANA IVONGO | Manomboka ny fakesorana trano manomboka amain’ny PK+0 hatramin’ny Pk+400.

262 0
Nidina teto aminy kaominina Soanierana Ivongo Ambonivohitra ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana niataka tamin’ny delegasionina maro indrindra ny mpitandro filaminana nampihatra ny didim-panjakana izay tapaka mba ho fitsijovana ny tombotsoa ny daholobe aminy fanamboarana ny lalana RNS5 Soanierana Ivongo -Vahibe hatrany Mananara avaratra.
Efa nisy ny fifampiresahana natao taminireo manana trano voakasika ny fandalovan’ny lalana RNS5 ity , maro ireo resilahatra fa mangataka ny hanomezana ny tambiny izay nifanarahana , ary nanamafy ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana RASOLOMAMPIONONA Emmanuel fa vonona ny vola hoan’ireo mponina voakasika fa atao aloha ny hitohizany asa fanamboarana, ary ampilaminana nanaovana ny fanesorana ireo trano ary mbola nomena fotoana ireo nanala ny tranony mba ho fitsinjovana ny maha olona .
Misy anefa ny tsy nanala ny zavatra tao antrano ka tsy mantsy natao ny fanarahandalana niantso Huissier naka lisitra ireo etana rehatra navoaka ary natao amin’ny toerana voatokana sy azo antoka . Nambaran’ny ireo voakasika ihany koa fa toa misy endrika fitanilana nataonireo teknisianina satria ny ilany ankavanana no tena maro ny trano afaka raha toa ka 15 metatra no ilaina avia sy havanana .
Mizotra araka izany ny asa ankehitriny ary antenainy vahoaka mpampiasa ny lalana RNS5 Soanierana Ivongo – hatramin’ny Mananara Avaratra ny fahavitany .
📝 Brudo Raseta

Related Post

𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽!

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽! (𝖭𝗂𝗌𝗒 𝗇𝗂𝗍𝗂𝖿𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗍𝖾𝗈 𝖺𝗆𝗉𝖺𝗇𝖺𝗈𝗏𝖺𝗇𝖺 𝖿𝖺𝗆𝗉𝗂𝖾𝗅𝖾𝗓𝖺𝗇-𝗄𝖾𝗏𝗂𝗍𝗋𝖺) ☆Hatairana no nandrenesan`ny vahoaka…