SEKOLIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA AMBOSITRA(EGNA) : LANONANA FANEHOANA AMBANY FANEVA ny andiany faha 78è.

438 0
  • famindram-pibaikoana ny Komandin’ireo Sekoly sy fanofanana eo anivon’ny Zandarimaria (CEGN),ny Jeneraly RAMASITERA Haingo izay nandimby an’ny Jeneraly BOTOU Estelin;
  • teo ihany koa ny fanehoana ambany faneva (Sous le drapeau) sy fanomezana anarana ny Andiany faha 78  » JORO « ;
    Mpianatra ho zandary miisa 1200 , ao anatin’ny andiany faha 78, miatrika fiofanana , ka nahavita ny telovolana voalohany, no naseho ambany faneva.
  • ary ny famindrana ny fiambenana ny Fanevan’ny EGNA amin’ireo Andiany faha 78.

Teo ambany fiahian’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina sy teo ambany fitarihan’ny Komandin’ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, ary notron’ireo Tomponandraikitra ambony samihafa . Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara.
Nampahatsiahy izy ny amin’ ireo lamina arahana mba ahafahan’ny Sekoly mamoaka « Zandary matihanina » .

( 📸 Sary: Tsaratiana Aimé)

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…