饾悅饾悎饾悞饾悅饾悗 饾悁饾悓饾悂饾悁饾悡饾悗饾悕饾悆饾悜饾悁饾悪饾悁饾悐饾悁

744 0
Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany avy ato anivon’ny CISCO Ambatondrazaka izay tarihin’ny Chef CISCO Andriamatoa Randa Andriamihaja ary nahitana ireo Chef ZAP, ireo talen-tsekoly avy amin’ ny fanjakana sy ireo tsy miankina ny Filohan’ny vaomieran’ny Fanabeazam-pirenena eo anivon’ny Antenimierampirenena Andriamatoa ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick , Solombavam-bahoaka voafidy tato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024.
Nampafantariny nandritra ny fihaonana ny andraikitra sahaniny amin’ny maha filohan’ny vaomiera azy ka anisan’izany ny fiarovana sy fiadiana ny tombotsoan’ireo mpanabe, notsindriany manokana kosa anefa fa tokony hanao ny asany ao anatin’ny fanajana ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ny rehetra.
Nambarany ihany koa fa hijery manokana ireo sekoly tsy miankina ny tenany ary nisaotra azy ireo maneho hatrany ny firaisankina sy fiombonana.
Nararaotina nandritra ny fihaonana ihany koa moa ny fahampafantarana ny naoty izay navoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena manafoana ny fahandoavam-bola amin’ireo sekolim-panjakana rehetra ankoatran’ny karaman’ireo mpampianatra FRAM ary niara-nidinika ny amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny taom-pianarana 2024 – 2025.
馃摑 Nangonin’i 饾懗饾拹饾挆饾拏 饾懕饾拏饾拸饾拏虁

Related Post

饾棫饾椉饾椃饾椉 饾棩饾棓饾棤饾棞饾棢饾棞饾棓饾棥饾棫饾棓饾棩饾棞饾棥饾棫饾棪饾棦饾棓 饾棞饾棪饾棓饾棥’饾棞饾棩饾棙饾棦 饾棡饾棓饾棥饾棗饾棞饾棗饾棓 饾棝饾棞饾棪饾棦饾棢饾棦饾棫饾棙饾棥饾棓 饾棥饾棳 饾棤饾棧饾棓饾棥饾棓饾棦 饾棜饾棓饾棴饾棙饾棫饾棳 饾棓饾棦 饾棓饾棤饾棞饾棥’饾棥饾棳 饾棖饾棙饾棥饾棞

Posted by - avril 8, 2026 0
饾棫饾椉饾椃饾椉 饾棩饾棓饾棤饾棞饾棢饾棞饾棓饾棥饾棫饾棓饾棩饾棞饾棥饾棫饾棪饾棦饾棓 饾棞饾棪饾棓饾棥’饾棞饾棩饾棙饾棦 饾棡饾棓饾棥饾棗饾棞饾棗饾棓 饾棝饾棞饾棪饾棦饾棢饾棦饾棫饾棙饾棥饾棓 饾棥饾棳 饾棤饾棧饾棓饾棥饾棓饾棦 饾棜饾棓饾棴饾棙饾棫饾棳 饾棓饾棦 饾棓饾棤饾棞饾棥’饾棥饾棳 饾棖饾棙饾棥饾棞 ——– 饾棡饾棶饾椈饾棻饾椂饾棻饾棶 – 饾棶饾棾饾棶饾椄饾棶 饾椀饾椂饾榾饾椉饾椆饾椉饾榿饾棽饾椈饾棶 饾椈饾槅 饾棤饾椊饾棶饾椈饾棶饾椉 饾棜饾棶饾槆饾棽饾榿饾槅 饾棽饾椉…