DISTRIKA IKONGO FIHOTSAHAN’NY TANY RENIM-PIANAKAVIANA SY NY ZANANY 3 NAMOY NY AINA

349 0

⭕Mikija mafy ny orana tato ho ato tao amin’ny distrika an’i Ikongo, ary niteraka fihotsahan’ny tany izany ny 7 janoary hariva teo. Fianakaviana iray monina ao amin’ny Fokontany Ambatoharanana kaominina Ambanivohitra ikongo no nianjeran’ny tany ka maty tamin’izany ilay renim-pianakaviana sy ny zanany 3, ilay raim-pianakaviana kosa naratra mafy.

⛔Ankoatra ireto fianakaviana ireto dia nisy olona iray koa namoy ny aina tao amin’ny fokontany Ambolomadinika kaominina Ambanivohitra Ambolomadinika distrika Ikongo.

🚫 Nisy ihany koa olona iray maty nentin’ny rano tao Mangarivotra kaominina ary distrika ikongo .

🛑Nitondra fahasimbana tetezana iray sy làlana maro tao amin’ny distrika ity ora-mikija ity.
Tokantrano miisa 5 izay ahitana olona 21 no tsy manan-kialofana ankehitriny ary efa napetraka ao amin’ny Centre Culturel Ikongo.

‼️Tokony ho mailo hatrany isika amin’izao fotoam-pahavaratra izao indrindra fa ireo fianakaviana mipetraka amin’ny toerana iva sy manana trano atahorana hirodana .‼️

Nangonin’i MalalaTsa

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…