DISTRIKA IKONGO FIHOTSAHAN’NY TANY RENIM-PIANAKAVIANA SY NY ZANANY 3 NAMOY NY AINA

587 0

⭕Mikija mafy ny orana tato ho ato tao amin’ny distrika an’i Ikongo, ary niteraka fihotsahan’ny tany izany ny 7 janoary hariva teo. Fianakaviana iray monina ao amin’ny Fokontany Ambatoharanana kaominina Ambanivohitra ikongo no nianjeran’ny tany ka maty tamin’izany ilay renim-pianakaviana sy ny zanany 3, ilay raim-pianakaviana kosa naratra mafy.

⛔Ankoatra ireto fianakaviana ireto dia nisy olona iray koa namoy ny aina tao amin’ny fokontany Ambolomadinika kaominina Ambanivohitra Ambolomadinika distrika Ikongo.

🚫 Nisy ihany koa olona iray maty nentin’ny rano tao Mangarivotra kaominina ary distrika ikongo .

🛑Nitondra fahasimbana tetezana iray sy làlana maro tao amin’ny distrika ity ora-mikija ity.
Tokantrano miisa 5 izay ahitana olona 21 no tsy manan-kialofana ankehitriny ary efa napetraka ao amin’ny Centre Culturel Ikongo.

‼️Tokony ho mailo hatrany isika amin’izao fotoam-pahavaratra izao indrindra fa ireo fianakaviana mipetraka amin’ny toerana iva sy manana trano atahorana hirodana .‼️

Nangonin’i MalalaTsa

Related Post

𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐎𝐒𝐀 𝐍𝐀𝐇AZO “𝐄́𝐂𝐇𝐄𝐋𝐎𝐍 𝐃’𝐎𝐑

Posted by - septembre 9, 2026 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 – 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 : 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐎𝐒𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐚𝐳𝐨 “𝐄́𝐂𝐇𝐄𝐋𝐎𝐍 𝐃’𝐎𝐑”, 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟏𝟔 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 Nisongadina tamin’ny lanonana…