πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈 | π…π’πŸπ’ππ’πšπ§πšπ§πš 𝐀𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐚π₯𝐲.

194 0
Mifarana androany 08 Desambra ny lisitry ny mpifidy natovana « OrdonnanceΒ Β» avy amin’ny didim-pitsarΓ na ambaratonga voalohany(TPI)Antsirabe ho an’ny Distrika Antsirabe I. Fantatra izany nandritra ny fivorian’ny vaomieram-pifidianana(CENI) Antsirabe I tao amin’ny biraony eto Antsirabe,notarihin-dRtoa filohan’ny CED RASOLOARISATA Josiane Herimanana.
Nanatrika ny Asa ny rafitra manohana ara-teknika sy ny antoko politika nanao fanambarΓ na Ary ny fiarahamonim-pirenena nahazo fankatoavana amin’ny fanabeazana olom-pirenena sy hanara-maso ny fifidianana.
Miisa 742 ny fangatahana « ordonnanceΒ Β» fa 643 no nekena ka anaty lisitry ny mpifidy natovana,afaka haneho ny safidiny amin’ny 11 Desambra ho avy izao izay mitsinjara amin’ny Fokontany 40 raha toa ka 60 ny eto Antsirabe I.
Nanentanan’ny CED ny kandidΓ  mirotsaka ho fidina sy ny mpiray lisitra Ary ny mpomba azy ireo ny hitandroana hatrany ny fihavanana Malagasy.
Nangonin’i HAJA.

Related Post

𝐅𝐀HAπŒπ€πˆπ™π€ππ€ π“πŽπ„π‘π€ππ€ π…πˆπ“π‘π€ππƒπ‘π€π‡π€ππ€ π•π€π“πŽ

Posted by - dΓ©cembre 23, 2024 0
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato « Spectrolyte na pierre de luneΒ Β» ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23…

π’πšπ«π¨π›π’ππ² 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
π’πšπ«π¨π›π’ππ² 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚…   Manoloana ny fiparitahan’ny aretina maso ao amin’ny Faritra Boeny, dia tonga anio ary hiparitaka amin’ireo tompim-pahasalamana…