Fitaovam-pianarana, cantine scolaire ary sekoly vaovao. Mitohy ny ezaka fanohanana ny fanabeazana eny ifotony, ka anisanโny nisitraka izany ny EPP Manarintsoa sy EPP Ambatomirahavavy, ary ireo CEG Ambohibato sy Imerikanjaka.
Mpianatra 300 nahazo fitaovam-pianarana
Mpianatra 140 ao aminโny EPP Ambatomirahavavy sy 160 ao aminโny EPP Manarintsoa, izany hoe 300 mianatra no nahazo fitaovam-pianarana avy aminโny Association AHAD.
Fanohanana natao hanamorana ny fianaranโireo ankizy sy hanampiana ireo ray aman-dreny aminโny fiatrehana ny taom-pianarana izany.
Cantine scolaire indroa isan-kerinandro
Tsy mijanona aminโny fitaovam-pianarana ihany ny fanohanana.
Voalaza ihany koa fa hisy cantine scolaire indroa isan-kerinandro ho anโireo mpianatra ao aminโny EPP Ambatomirahavavy sy EPP Manarintsoa.
Mpianatra 300 no hisitraka izany sakafo an-tsekoly izany, izay vatsianโny Association AHAD.
CEG Ambohibato sy Imerikanjaka, misokatra ho anโny ankizy
Etsy ankilany, efa misokatra ihany koa ny CEG Ambohibato sy ny CEG Imerikanjaka, izay sekoly natsangana taminโny alalanโny fiaraha-mientanโny vondrom-piarahamonina.
Efa misy ireo mpianatra nisoratra anarana, ary efa vonona ihany koa ireo mpampianatra hampita fahalalana sy hanabe ireo taranaka.
Fiaraha-mientana ho anโny fanabeazana
Naneho fankasitrahana ny Association AHAD ny tomponandraikitra noho ny fanohanany ny fanabeazana sy ny ankizy.
Nankasitrahana manokana ihany koa ny Association RAFA MIRAY, noho ny fandraisany anjara taminโny fananganana ny CEG Imerikanjaka.
Ho anโny CEG Ambohibato, dia nankasitrahana ny fokonolona sy ireo rehetra nandray an-tanana ny fanamboarana sy ny fanatanterahana izany sekoly izany.
Antso ihany koa no napetraka ho anโireo ray aman-dreny, mba hanohy hanohana sy hampirisika ny zanany hianatra.
Fanabeazana no fototry ny hoavinโny taranaka. Ary rehefa miray hina ny fikambanana, ny fokonolona, ny ray aman-dreny ary ireo mpampianatra, dia vao mainka misokatra ny lalana ho aminโny fanabeazana tsara kokoa.


