CEG AMPARAFARAVOLA : TSY MANAIKY NY FANESORANA NY TALE IREO RAY AMAN-DRENIN’NY MPIANATRA

40 0
Mifamahofaho ny raharaha ao amin’ny CEG Amparafaravola amin’izao fotoana izao. Taorian’ny nivoahan’ny « note de service » avy amin’ny DREN Alaotra Mangoro, izay manaisotra amin’ny toerany ny Tale mpitantana ity sekoly ity, dia nanao hetsika fanehoana ny tsy fankasitrahany izany ireo ray amandrenin’ny mpianatra sy ny mpanabe ao an-toerana.
Raha ny nambaran’izy ireo dia « tsy azo ekena izao fanapahan-kevitra izao ». Notsindriandrian’izy ireo fa teo ambany fitantanana sy ny ezaka lehibe nataon’ity tale ity no nahatafakatra ambony ny taha-pahombiazana tamin’ireo fanadinana. Araka izany, mahatsapa izy ireo fa tsy mitondra fampandrosoana ho an’ny fampianarana ny fanalana tompom-pandraikitra efa naneho vokatra tsara sy nitondra ny sekoly tamin’ny fahombiazana.
Koa maha-lasa fisainana ny maro amin’ireo mpanabe sy ny ray amandreny ity fepetra noraisin’ny DREN ity. Noho izany, manao antso avo sy manentana ireo tompon’andraikitra isan’ ambaratongany izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity sy hitady vahaolana malaky sy mahomby, mba tsy hanelingelina ny hoavim-pampianaran’ny mpianatra.
✍️ Lova Janà

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…