Commune Sabotsy Namehana | Ben’ny Tanana Jerôme RAKOTOMALALA, N°7

219 0
Maharesy lahatra olona maro ny Ben’ny Tanana Jerôme RAKOTOMALALA, laharana faha 6 ao amin’ny Bileta tokana ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ao.
Raha tsiahivina ny tantara, dai i Jerôme RAKOTOMALALA, no Kandida hatolotry ny Fikambanana Avotantsika Sabotsy Namehana na ny ASN, izay Fikambanana natsangan’Andriamatoa Avotraina Andriamosa, izaynitondra ny Commune Sabotsy Namehana nandritra ny 17 taona nifanesy, ary i Jerôme RAKOTOMALALA no Filohan’ny Mpanolontsain’ny tanana nandritr’izany.
« Ampy traikefa amin’ny fitantana Kaominina, tena tantsaha 100% ka mahalala tsara ny filàna ety anivon’ny tontolo ambanivohitra, ary manana fahalalana feno amin’ny fampandrosona ny tanana sy manana fifandraisana matotra amin’ny mpiara-miasa rehetra, izany rehetra izany mitambatra no mahatonga anay hifidy ary hampifidy an’i Jerôme laharana faha 6 ao amin’ny bileta tokana, hoy ny olona sendra nanontaniana teny Sabotsy Namehana teny.
Tsy hekely soroka aho, ary hanao ny aiko tsy ho zavatra hanatanteraka ny vina efa napetra, ary indrindra fa hanohy ny asa efa natombok’ i Avotraina Andriamosa hoy hatrany Jerôme rehefa nitafa tamin’ny Mpanao Gazetinay omaly.
Inona moa izany, fa voroamanga, tsidihin-dRainilovy ny tanana ny Sabotsy Namehana, ny mpitsidika mikalokalo, ny vangiana misiotsioka, ka masa-bary maito-kitoza, fa ny mpisakafo sisa no andrasana, koa FIDIO JEROME LAHARANA FAHA6 ny faha 11 Desambra 2024 ho avy izao.
Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…