Antananarivo, 13 Jona 2025 โ RAKOTOMANANA Richardson no voafidy ho solontenanโny Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM) eny anivonโny Vaomiera Nasionaly Mahaleo Tena momba ny Zonโolombelona (CNIDH). Nahazo 54,5% aminโny vato manan-kery izy taminโity fifidianana natao an’habaka ity.
Nifarana taminโny 11 ora sy sasany maraina ny fifidianana, izay notanterahina anaty fepetra mangarahara sy milamina. Taminโireo 47 mpifidy voasoratra anarana, dia 44 no nandray anjara ka 3 no nisafidy tsy handatsa-bato.
________________________________________
Antontanโisa ofisialy:
โข Mpifidy voasoratra anarana: 47
โข Isanโny nandatsa-bato: 44
โข Vato manan-kery: 44
โข Vato maty na tsy manan-kery: 0
Voka-pifidianana an-tsipiriany:
โข RAKOTOMANANA Richardson: 24 vato (54,5%)
โข RANDRIANARISOA Njaka Serge: 10 vato
โข DAMY Govina: 6 vato
โข ANDRIAMIRA Ranoason: 3 vato
โข RAHARISON Andry: 1 vato
โข RANDRIANIRINA Mosa Denis: 0 vato
โข RALAY Hanitriniony Donas: 0 vato
โข RANAIVOSON Mbinintsoa: 0 vato
Nanara-maso sy nanamafy ny fahamarinanโny fifidianana ny RABEKIJANA Fรฉlix, filohanโny Association des Journalistes Doyens de Madagascar sady filoha lefitra nasionaly ao aminโny KMF-CNOE. Ny Commission Paritaire Centrale eo anivonโny OJM no nikarakara ny fifidianana.
Ny fanoratana eto anivonโny Gazety anโhabaka feonydemokrasia.mg dia miarahaba azy ary mirary azy hahavita be aminโny asa amanโandraikitra sahaniny.
Nangonin’ Lay Mahitsy

