π’πŽπ‹πŽππ“π„ππ€π’𝐍𝐘 πŽπ‰πŒ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π‚ππˆπƒπ‡ | π‘π€πŠπŽπ“πŽπŒπ€ππ€ππ€ π‘π’πœπ‘πšπ«ππ¬π¨π§ π§π¨π¬πšπŸπ’ππ’πšπ§β€™π§π² π›πž 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐨.

260 0
Antananarivo, 13 Jona 2025 β€” RAKOTOMANANA Richardson no voafidy ho solontenan’ny Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM) eny anivon’ny Vaomiera Nasionaly Mahaleo Tena momba ny Zon’olombelona (CNIDH). Nahazo 54,5% amin’ny vato manan-kery izy tamin’ity fifidianana natao an’habaka ity.
Nifarana tamin’ny 11 ora sy sasany maraina ny fifidianana, izay notanterahina anaty fepetra mangarahara sy milamina. Tamin’ireo 47 mpifidy voasoratra anarana, dia 44 no nandray anjara ka 3 no nisafidy tsy handatsa-bato.
________________________________________
Antontan’isa ofisialy:
β€’ Mpifidy voasoratra anarana: 47
β€’ Isan’ny nandatsa-bato: 44
β€’ Vato manan-kery: 44
β€’ Vato maty na tsy manan-kery: 0
Voka-pifidianana an-tsipiriany:
β€’ RAKOTOMANANA Richardson: 24 vato (54,5%)
β€’ RANDRIANARISOA Njaka Serge: 10 vato
β€’ DAMY Govina: 6 vato
β€’ ANDRIAMIRA Ranoason: 3 vato
β€’ RAHARISON Andry: 1 vato
β€’ RANDRIANIRINA Mosa Denis: 0 vato
β€’ RALAY Hanitriniony Donas: 0 vato
β€’ RANAIVOSON Mbinintsoa: 0 vato
Nanara-maso sy nanamafy ny fahamarinan’ny fifidianana ny RABEKIJANA FΓ©lix, filohan’ny Association des Journalistes Doyens de Madagascar sady filoha lefitra nasionaly ao amin’ny KMF-CNOE. Ny Commission Paritaire Centrale eo anivon’ny OJM no nikarakara ny fifidianana.
Ny fanoratana eto anivon’ny Gazety an’habaka feonydemokrasia.mg dia miarahaba azy ary mirary azy hahavita be amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny.
Nangonin’ Lay Mahitsy
πŸ“· : Sary OJM

Related Post

FIER-MADA 2025

Posted by - aoΓ»t 12, 2025 0
FIER-MADA 2025 – Andiany faha-26 : Ambatovy manohana hatrany ny tanora mpandraharaha sy ny tantsaha eny ifotony Nanamarika indray ny…

Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

Posted by - novembre 12, 2023 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.   Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana…