Boriziny – Sofia [AKON’NY FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024

371 0
 
📌 Toeram-pambolena zanakazo 1 hektara no nanokafana ny taom-bolen-kazo 2024 ato amin’ny Disitrikan’i Boriziny omaly zoma 26 janoary. Miisa 1 500 ireo zanakazo novolena tao Anjiamanera kaominina Port-Bergé II.
 
📌 Nandray anjara tamin’izany avokoa ny sampan-draharaha sy irro tompon’andraikitra isany notarihan’ny Lehiben’ny Disitrika Todivelo Cyrille. Aorian’izao dia samy hanao hetsika avokoa ny sampan-draharaha, ny fikambanana,.. sns
 
📌 Nanome toky ny Ben’ny tanàna Port-Bergé Il fa hiantoka ny fikarakarana an’ireo hazo novolena ireo mba tsy fandaniam-potoana iny omaly iny. Ny teo anivon’ny fitantanana ny ala rahateo nanambara fa velona soa aman-tsara ny 90%n’ny zanakazo novolena tamin’ny taona 2023.
 
«Manarina tontolo iainana, mamelon’aina»
 
🆔 Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘

Posted by - avril 14, 2024 0
💢 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐓𝐑𝐎𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀…

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…