RAFANOHARANA Paul Maillot | MBOLA MAMITA SAZY AO AMIN’NY FONJAN’I TSIAFAHY.

566 0
Ny Alatsinainy faha 04 Desambra 2023, dia tsy maintsy nentina nanao fizaham-pahasalamana teo anivon’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie Andriamatoa RAFANOHARANA Paul Maillot. Teo anelanelan’ny tamin’ny 8 Ora sy sasany maraina, hatramin’ny 3 Ora sy sasany hariva no nanaovany ny « scanner cérébral, ECG, TDM, ORL, Bilan sanguin ». Izany dia vokatry ny fahitan’ny Mpitsabo eo anivon’ny Fonjan’i Tsiafahy, fa marary io Voafonja io ary nanana olana ara-pahasalamana, nanomboka tamin’ny faha-19 Novambra 2023.
 
Raha ny lalàna tokoa mantsy dia manome zo ny Voafonja tsirairay ho tsaboina rehefa mandalo tsy fahasalamana. Izany rahateo dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Ny andron’io nanaovana ny fitsirihana io ihany dia naverina mamita sazy ao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy i RAFANOHARANA Paul Maillot, ka ny Mpitsabo ao no manohy ny fitsaboana azy.
Nangonin’Ilay Mahintsy

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…