Alakamisy 27 Febroary โ Naneho firaisan-kina sy fahavononana hiara-hiasa ho anโny tombontsoanโny vahoaka ireo Filoham-pokontany miisa 24 sy ny Mpitan-tsoratra eo anivonโny Boriboritany faharoa, nandritra ny fitsangatsanganana notanterahina teny aminโny โLa Piscineโ, Fokontany Ambohitanety, Kaominina Alasora, Distrika Antananarivo Avaradrano. Notarihinโny ๐๐ต๐ฒ๐ณ ๐๐ถ๐๐๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ, ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐บ๐ฎ๐๐ผ๐ฎ ๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ ๐๐ง๐ฆ๐๐ฅ๐ฌ ๐๐ผ๐๐ฒ, ity fihaonana ity.
Tsy hetsika fialam-boly tsotra izao anefa no natao, fa sehatra iray nanamafisana ny fihavanana sy ny fiaraha-mientana. Taorianโny fifampiarabana nahatratra ny taona 2026 dia nifampizara traikefa sy nifampidinika momba ny adidy sy andraikitra iombonana izy ireo.
Nasongadina manokana nandritra izany fa ny fampandrosoana maharitra dia miainga eny ifotony, aminโny alalanโny fiaraha-miasa akaiky sy ny fitantanana madio sy mangarahara. Samy naneho ny fahavononany hitondra fanavaozana sy hanatsara ny tolotra sy asa ho anโny Fokontany tantanany avy ireo Filoham-pokontany 24 mianadahy.
Araka ny nambaranโny Chef Distrika, ny firaisan-kina no fototra iorenanโny asa rehetra. โRehefa miray fo sy miray saina ny mpitarika, mora kokoa ny mitondra vahaolana ho anโny mponina,โ hoy izy nanamafy.
Nambaranโireo Filoham-pokontany ihany koa fa tsy hijanona aminโny fihaonana toy izao ny fiaraha-mientana, fa hotohizana aminโny tetikasa sy hetsika mivaingana eny anivonโny Fokontany tsirairay. Anisanโizany ny fanamafisana ny fandriampahalemana, ny fanadiovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambarana ny tolo-tanana nentinโny Boriboritany faharoa ho anโireo traboina any Toamasina, mariky ny firaisam-po sy ny fanoloran-tena mihoatra ny faritra iadidiany.
Raha fintinina, nasehonโireo Filoham-pokontany 24 mianadahy fa ny firaisan-kina sy ny finiavana hanompo no lakilenโny fampandrosoana. Ary araka ny fiteny mahazatra, rehefa mifampitantana ny tomponโandraikitra eny ifotony, dia manomboka miova aminโny lafiny tsara ny fiainanโny vahoaka.




