SAMPANDRAHARAHAN’NY SERASERA DIANA | FAMINDRAM- PITANTANANA EO AMIN’NY LEHIBEN’NY

462 0
Tamin’ny firalahiana tanteraka no nanatontosana ny famindram- pitantanana eo amin’ny  » chef de Service Régionale de la communication DIANA » teo aloha, Atoa LEMITENY Etienne, sy ny mandimby azy Atoa Lucky Laou Po Seng ny maraina teo.
Roa amby folo ( 12) taona no nisahanan’ny mpanao gazety matihanina avy ao amin’ny TVM Ambilobe, LEMITENY Etienne ny asa maha lehiben’ny sampandraharahan’ny serasera DIANA ity ka izao no tonga ny fotoana izay tsy maintsy hitsaharany amin’izany satria toerana ifandimbiasana ny sokajy ny toerana niandraiketany hoy ny fanazavany nandritra ny laha- teny nataony.
Nitso- drano an’ilay nandimby azy ihany koa ity farany mba hanohy sy nahavita be amin’ny asa masina izay sahanina.
Eto dia miarahaba anao namana Lucky laou po – Seng, izay voatendry ho lehiben’ny Sampandraharahan’ny Serasera DIANA.
Ho tanteraka anie ny fikasanao amin’ny fampivelarana ny serasera ato amin’ny Faritra DIANA.

Related Post

𝗧𝗼𝗷𝗼 𝗥𝗔𝗠𝗜𝗟𝗜𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗘𝗡𝗜

Posted by - avril 8, 2026 0
𝗧𝗼𝗷𝗼 𝗥𝗔𝗠𝗜𝗟𝗜𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗘𝗡𝗜 ——– 𝗞𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮 – 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗼𝗹𝗼𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗚𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗲𝗼…