BNGRC: NANATANTERAKA FIFANAOVAN_TSONIAM_PIARAHAMIASA MANDRITRA NY 05 TAONA NIARAKA TAMIN’NY PAM

170 0

🔴Novaozina indray ny fifanaovan-tsoniam-piaraha miasa teo amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny (BNGRC )sy fandaharan’asa momban’ny fanjariantsakafo( PAM) ho fanohizana ny fitantanana momban’ny loza voajanahary eto Madagascar.

🔴Fifanaraham-piaraha_miasa mandritry ny 5 taona no hatao ho fiahiana ireo mponina iharan’ny loza voajanahary.

🔴Tafiditra ao anatin’izao fiarahamiasa vaovao izao ihany koa ny  fisorohana mialoha ny mety hisiana takaitra mafy ateraky ny loza voajanahary .

🔴Nilaza ny tale jeneraly eo anivon’ny BNGRC Andriakaja Olivier elack fa manampy betsaka Tokoa ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny fiarahamonina miasa nisy teo amin’ny 2 tonta hatramin’izay no nentina nanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ny loza voajanahary izay tsy azo iodivirana intsony ary vao maika aza mihamafy nohon’ny fiovaovan’ny toetrandro maneran-tany.

📝M.Elvina

 

 

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…