BELO SUR TSIRIBIHINA NAMALY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA NY FIANAKAVIANA KAMAMY

132 0

Nitondra fanazavana mikasika ny fanehoan-kevitry nataon’ny solombavambahoaka ny fianakaviana kamamy tamin’ny alalan’ny Kamamy Kéilà Josée Magloire arak’izao hitanterana azy izao :

Manao nahoa antsika longo iaby.

Izaho izay miresaky dia Kamamy Kéilà Josée Magloire, zanakin’i Printsy Kamamy Magloire. manana zoky ray aman dreny izahay raha eto Morondava, renivohitr’i Menabe izay mpisolontena anay fianakaviana dia i Kamamy Fleurys Magloire, fa noho ny andraitra samy hafa dia izaho no tafaresaky aminareo eto androany mahakasika ny horonantsarin’i solombavambahoakan’i Belo amoron’ny Tsiribihina , izay malahelo fa nosakanana ny hetsika lazaina fa lohavogny sy fametrahana ampanjakan’ny taranak’i Kamamy Pierre, zanak’i ampanjaka Toera.

Tsy hisolo vaika ny akalana aho ka hilaza ny antony nahatonga ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina nanakana ny fanantanterahana io hetsika lazaina fa hoe lohavognin’i Belo na fanangana ampanjaka ny taranak’i Kamamy Pierre io, fa ny hevitro sy ny hevitray fianakaviana Kamamy Pierre izay mankato  fiverenan’ny kabeson’ny dadilahy Toera, ro havoliliko anareo longo hoe ino moa gnaton’ny tokon’ny hanankanana ny hetsika ataon’ireo fianakaviana sasantsasany izay tarihin’i solombavambahoaka, Saory Christian, agnatin’io horonantsary izay nolazaina tery ambony io.

Hanombohako azy, nampodipodiko ny hoe hetsika io ataondreo io fa tsy fombandraza fanaon’i Menabe hatrizay, sahala amin’ny hoe fety noforonina natao peta toko, mba hazahoana tambiny izay ireo avao no tena mahalala ny antony, na mba hanakorontanana ny saim-bahoaka amin’ity fahatongavan’ny kabeson’i dadilahy Toera ity. ny antony itenenako izany dia izao:

Voalohany, fombandraza no resahina, ka ny raha voalohany tokony hajaina amin’izany dia ireo fady, ny masina, ny mety sy ny tsy mety, nefa, ny datin’andro 19 – 20 jiona izay kasaindreo hanaovana lohavogny io dia ao anatin’ny vola mitongila, no filaza azy, izany hoe efa madiva ho maty, tsy fotoana fanaovan-drahan’ampagnito io.

mahafantatra izany tsara na ireo taritin’i solombavambahoaka Saory Christian na izy tenany solombavambahoaka, satria tato ho ato dia hita taratra eny amin’ny fampielezam baovao rehetra eny na radio io na fahitalavitra hatramin’ny facebook ny horonantsary na lahantsoratr’i andriamatoa solombavambahoaka mahakasika anay mianakavy na fombandraza izay fanaonay.  Noho izany dia eritseretina fa nandalina manokana ny fianakavianay sy ny fombandraza izy ka tsy azo leferina raha izy indray sy ireo fianakaviana sasantsasany manaraka azy no manao fanahiniana mamozezy, mamoafady, tahaka izao;

Fehiny raha ankatezirana no hilazana azy dia haniratsira sy hanimbazimba ny fombandraza no tiandreo hatao, ka izany no antony hanakanana io hetsika karakarain’izy ireo io raha ny hevitray no anontaniana.

Porofo izao fa tsy marina velively ny filazandreo hatramin’izay hoe izahay no tsy mahay fombandraza fa ry zareo mihintsy miampy ny famporisihan’ireo izay mahazo tombotsoa amin’izany no manao fanahiniana manova ny fomba sy tantara tena nisy mba ho entin’izy ireo hanantaterahana izay tiandreo hatao; io vandivandy sy fanovaovana fomba sy tantara nisy io no nentindreo nandresy lahatra ka nahatonga ny kabeson’i ampanjaka Toera nahemotra ny fiaviany antanidraza. tsy fanaovandraha hono ny volana aprily, kanefa dia tsy marina velively izany, volana fanaovana lohavogny io.

lohavogny izay, niarahanay nanapaka sy nifaly tamin’izy ireo ihany hatramin’izay, misy sary mana porofo izany sy izay rehetra voalazako eto izahay.

Fanakorontanana saim bahoaka izany rehetra izany aminay ka tohananay zato isan-jato (100%) ny fitondram panjakana, soloan-tenan’i ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ny fanampahan kevitra noraisiny.

Maro ny fanambarana nataonao andriamatoa solombavambahoaka, miaraka amin’ireo fianakavia sasantsasany ireo no mifamotopototra, ny lazainy androany iny ihany no toheriny koa rahampitso.

toy ny hoe, tsy mahazo mananga ampanjaka raha tsy vita ny tsiritsy (tsiritsy= famadihana amin’ny fomban tany hafa).

amin’izao indray anefa manao fanambarana sy manamparitaka fanasana fa hanangana ampanjaka alohan’ny tsiritsy. ka iza amin’ireo no tena marina sa mety hisy fanambarana koa ato ho ato fa azo atao tsara ny manovaova ny fombandrazana hotran’izany?

Toy izany koa ny fanambarana nandininao ny fianakavia fa hoe amin’ny maha solombavambahoaka anao izany hoe fanjakana ianao no miteny dia nanome baiko inao fa hoe, tsy maintsy apetraka na asitrika ao amin’ny zomba belo na eny ambiky ny kabeson’i ampanjaka Toera rehefa tonga.

amin’izao indray, manambara amin’ny fahitalavitra fa gaga sy malahelo ary manontany tena hoe alalana avy aiza no ahafahan’ny fanjakana, ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina manakana ny fihetseketsehana ataonareo amin’ny anaran’ny fombandrazana, tena mahatseriky!

Misy fanontaniana mba tianay hapetraka amin’ingahy solombavambahoaka, rehefa tsy marina koa zany androany fa amin’ny maha fanjakana no ahafahana mandidy, mibaiko, manome alalana sy tsy manome alalana, mba tianay ho hay amin’ny alalan’ny maha iza anao izany no ahafahanao manampak’evitra sy manao fanambarana amin’ny agnaran’i fianakavia Printsy Kamamy izay aelinao ombieny ombieny io?

Tianay ampahafantry anao fa tsy marina ny lazainareo fa hoe razan’olo no manendry ny ampanjaka ao amin’ny fianakavia. Tsy mana lavitra ny lalana velona misy mahakasika ny fandovana ny tantara nisy mikasika ny fananganana ampanjaka hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny ray aman-dreny mamindra amin’ny zanaka, na notendreny io fony faha velony na zoky indrindra, ka nekeny fianakavia fa mahavita hiaro ny fombandraza amin’ny lafin’ny maro. Marina fa nisy ny ‘’exception’’ hoy ny vazaha, ny zokivavy makany amin’i zandrivavy, ny renikely makany amin’i zanakalahy fa na dia izany aza ny fianakavia ihany no niandraikitra an’izany.

Manana andraikitra lehibe tokoa eo amin’ny fombandrazan’ampagnito ireo firazagna misy rehetra ao ireo fa saingy amin’ny lafiny hafa.

Vandy ny hoe izahay fianakavia mpikarakara sy mpankato ny fiverenan’ny kabeson’i ampanjaka Toera dia lazaina fa zazakely avokoa sy tsy mahalala na inona na inona amin’ny fombandraza.

Ambaranay ho ren-tany ho ren-dagnitry eto fa manana ray aman-dreny izahay ary mbola zokiny indrindra amin’ireo izay azo lazaina fa ray aman-dreny ao amin’ny fianakavia, tognoninay agnara amin’izany:

Kamamy Lahady Julia Bernadette, vavimatoan’i Kamamy Collette, izay zanak’i Printsy Kamamy Pierre vavimatoa tamin’ny vadibe;

Kamamy Mascotte, vavimatoan’i Kamamy Georges, tamin’ny vadibe, izy indray dia lahimatoan’i Printsy Kamamy Pierre tamin’i vadibe.

miverimberina ny hoe vadibe, satria manan-danja bevata amin’ny tantaran’ny fandovana hampanjaka izany. Mbola hisy koa moa ny fotoana hanazavana izany eto fa manam-potoany gny raha iaby.

Fa izao! aza amafazanareo lainga hotran’izany ny vahoaka azafady, fa hain’olo avao ny vary sy ny tsimparifary!

Eto izahay dia mamerina ny fisaorana ny fitondram-panjakana nandray fanampahan-kevitra amin’ny fanakanana ny hetsika izay nokasaindreo hatao.

misaotra ihany koa ny vahoakan’i menabe tsy ankanavaka izay tsy manosom-bohon-tanana anay fa manampy amin’ny lafin’ny maro amin’ny fikarakarana ny fiverenan’ny kabeson’i dadilahy toera.

Mahavelo bevata iaby rolahy!

Related Post