AVOTRA SABOTSY NAMEHANA | FARADOBOKA

151 0
Alatsinainy faha 09 Desambra 2024 no nanatanteraka ny famaranana ny Fampielezan-kevitra na ny Faradoboka araka ny fomba fiteny mahatra ny Fikambanana ASN na ny AVOTRA SABOTSY NAMEHANA.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ankalamanjana, izay efa tarazo fanaon’ity Fikambanana ity izany, ka nitrotroana am-bavaka ny asa ho hatao rehetra, rehefa izany dia nirohotra nanatanteraka ny Diabe namakivaky ny lalam-ben’ny Kaominina Sabotsy Namehana ireo Mpikatroka, notron’ny vahoaka marobe nanara-dia azy ireo.
Taorian’izay dia nisy ny fitetezana ireo FKT maromaro vitsivitsy, nandresy lahatra, nilaza ny programan’asa, sns…. Tsikaritra fa tena mifandray am-po amin’ny Mponin’ny Sabotsy Namehana ny Fikambanana ASN satria dia hofahofan-tanana sy teny Fankaherezana hatrany no havalin’ny Mponina ny fitsidihana hataon’izy ireo.
Nisy fiaraha-misakafo, noporofoin’ny nofon-kena mitam-pihavanana rehefa tonga ny mitataovovonana, ary nofarana tamin’ny fiaraha-mifaly teo amin’ny Kianja HERISETRA RAFANODINA kosa rehefa nitehon-kohariva ny andro.
Jerome RAKOTOMALALA, Laharana faha 6 ao amin’ny Bileta tokana
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍-𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 | 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…